Hankany amin'ny vontoatiny

Zavamaniry fanao fanafody

Avy amin'i Wikipedia
Aloe macroclada

Ny zavamaniry fanao fanafody dia karazan-javamaniry izay misy akora voajanahary amin' ny taovany rehetra na amin' ny taovany sasany (ravina, faka, hoditra, vony, vihim-boa, sns) izay ampiasaina hisorohana, hanamaivanana na hitsaboana ny olana ara-pahasalamana, na mivantana na aorian' ny fikarakarana (fitanehana, fampandalovana anaty rano mafana, fandomana anaty rano mangatsiaka na anaty ranoka hafa, sns.). Ny teny hoe "zavamaniry" ampiasaina eto dia manondro indrindra ny zavamananaina ao amin' ny fanjakana Plantae, nefa mety hahafaoka ireo izay ao amin' ny Fungi (holatra) na ny Algae (ahidrano) koa.

Salvia coccinea (afolava, sangasanga, sangasanganandevolahy)

Eo amin' ny sehatry ny siansa, ny zavamaniry fanao fanafody dia tafiditra ao anatin' ny farmakôgnôzia sy ny fitôterapia ary ny etnôbôtanika izay mandinika ny toetra ara-pitsaboana ananan' ny akora voajanahary.

Loharano stratejika eo amin' ny fifandraisan' ny fomban-drazana sy ny siansa ny zavamaniry fanao fanafody. Mitaky fomba fiasa iraisan-taranja izay manambatra ny fahalalana nentim-paharazana sy ny fomba fiasa siantifika ny fanomezana lanjany azy ireo, mba hiantohana ny fahombiazany sy ny fampiasana azy maharitra.

Miorina amin' ny fisian' ny haro biôlôjika -- alkalôida, komarinina, flavônôida, glikôsida (na heterôsida), menaka manitra, miosilazy, pôlifenôla (anisany ny flavônôida sy ny asidra fenôlika), pôlisakarida, sapôninina, taninina, terpena sy terpenôida (na izôprenôida) -- izay afaka miasa amin' ny vatan' olombelona ny fampiasana azy ireo.

Mahalana ny fampiasana zavamaniry manontolo (Pilosella officinarum). Matetika, ampahany iray na maromaro amin' ilay zavamaniry no ampiasaina, sady samy manana ny fampiharana azy samihafa: taranjany (Zingiber officinale -- sakamalao), vodiny (Allium sativum -- tongologasy), fakany (Burasaia madagascariensis -- amborasaha), tahony (Landolphia myrtifolia -- belapoa), hodiny (Camphora officinarum -- ravintsara), tsimoka (Pinus kesiya -- hazokesika), raviny (Salvia coccinea -- sangasanga), voniny (Syzygium aromaticum -- jirofo), felam-bony (Papaver rhoeas -- kôkilikô), voany (Tamarindus indica -- kily), vihim-boany (Moringa oleifera -- ananambo, Linum usitatissimum -- rongonimbazaha), sns.

Ohatra amin' ny zavamaniry fanao fanafody

[hanova | hanova ny fango]
Centella asiatica

Indreto misy ohatra vitsy amin' ny zavamaniry fanao fanafody sasany:

  • Aloe macroclada -- kisaondra, lahimbahona, vahombe, vahona
  • Aloe vaombe -- vahombe, vahombey
  • Catharanthus roseus -- arivotambelona, befela, felabaratra, felatanamamba, heladolo, rivotambelona, salotsa, sarita, tonga, tongatse, trongatse, tsimatiririnina, tsingevika, vonenina.
  • Cedrelopsis grevei -- katafa, katrafaina, katrafay, katsafa, mampandry, mantora
  • Centella asiatica -- anamanitra, anampetraka, anantahalaka, anantalapetraka, kiladitahalaka, korokorona, loviantsahonantanety, raivolesoka, silabola, talapetraka, viliantsahonantanety.
  • Cinnamomum camphora na Camphora officinarum -- kamifaoro, ravintsara, ravitsara
  • Cinnamosma fragrans -- fanalamangidy, mandravasarotra, molotrobeantiniaina, motrebetinainy, motrobeantinena
  • Harungana madagascariensis -- arongana, dity, fohatra, haringana, haronga, harongambato, harongana, miangaroka

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]