Aller au contenu

Zavamaniry ahitra

Avy amin'i Wikipedia
Lysimachia latifolia (fianakaviana Primulaceae)

Ny ahitra na zavamaniry ahitra dia zavamaniry misy lalan-dranon-kazo izay manana taho malemy, tsy toy ny an' ny hazo. Ity vondrona ity dia ahitana karazana zavamaniry maro maharitra an-taonany, ary saika izy rehetra no maharitra iray na roa taona.

Fanoritsoritana

[hanova | hanova ny fango]

Ny zavamaniry ahitra dia ahitana ny graminôida sy ny fôrba ary ny filikôfita (ampanga). Ny fôrba dia faritana amin' ny ankapobeny ho zavamaniry misy ravina mivelatra, fa ny graminôida kosa dia zavamaniry manana endrika tahaka ny bozaka, anisan' izany ny Poaceae (horona, tsimparifary) sy ny Cyperaceae (herana, harefo, zozoro, sns) ary ny Juncaceae (Juncus effusus).

Ny zavamaniry ahitra dia matetika zavamaniry fohy (tsy mitovy amin' ny hazo sy ny kirihitra) manana rantsana maitso malefaka ary ny fitomboan' izy ireo miala ny tany dia mihelina ary matetika maharitra fizaràn-taona.

Setaria megaphylla (fianakaviana Poaceae)

Mifanohitra amin' izany kosa ny zavamaniry tsy ahitra nefa misy lalan-dranon-kazo izay zavamaniry misy nofon-kazo manana taho ambonin' ny tany izay mitohy velona ​​na dia amin' ny vanim-potoana fatorianany aza, ary maniry tsimoka amin' ny taona manaraka ny faritra ambonin' ny tany - anisan' izany ny hazo, ny hazo madinika, zavamaniry mianika ary volotsangana. Heverina ho zavamaniry ahitra ihany koa ny akondro satria tsy misy tambatsela minofon-kazo ny tahony.

Ny zavamaniry ahitra sasany dia afaka mitombo ho somary lehibe, anisan' izany ny vondron-karazana Musa, izany hoe ny akondro.

Tsy anisan' ny zavamaniry ahitra koa ireto manaraka ireto:

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]