Hankany amin'ny vontoatiny

Zavamaneno misy andalan-kitendry

Avy amin'i Wikipedia
Ny pianô dia anisan' ny zavamaneno misy kitendry be mpahalala

Ny zavamaneno misy andalan-kitendry dia zavamaneno ampanenoina amin' ny alalan' ny kitendry, izay andalana fanoitra tsindriana amin' ny rantsantanana. Ny fantatra indrindra dia ny pianô, ny ôrga, ny zavamaneno ao amin' ny fianakaviana klavesinina, ary zavamaneno elektrônika isan-karazany (anisan' izany ny sentetizera sy ny pianô nomerika).

Ny zavamaneno misy kitendry hafa dia ny selesta, ny pianô kilalao ary ny kariliôna (ity dia matetika apetraka eo amin' ny tilikambon-dakolosin' ny fiangonana na ao amin' ny fitoeran-dakolosin' ny lapan' ny tanàna), izay zavamanenon-tenany velezina ampiasaina kitendry.