Zavamananaina mpanimba

Ny zavamananaina mpanimba dia zavamananaina izay misy fiantraikany ny hetsika rehetra na ampahany ataon' izy ireo, izay heverin' ny olona fa manimba ny fahasalamam-bahoaka sy/na ny fampandehanana tsara ny asa sasany ataon' ny olombelona (fambolena, fiompiana, fikarakarana ny biby fihaza, sns).
Ny zavamananaina mpanimba dia mety ho zavamaniry, biby (fantatra amin' ny anarana hoe mpiremby), holatra, bakteria, viriosy, na indrindraindrindra raha katsentsitra, na ny zavamananaina rehetra miteraka aretina ho an' ny biby na ho an' ny zavamaniry (holatra, viriosy, bakteria, priôna, kankana, sns) no resahina. Lasa manjavozavo ny hevitry ny hoe "zavamananaina mpanimba" (ohatra, ny katsentsitra iray dia mety hoheverina ho mpanimba raha mamely karazan-javamananaina fiompy na famboly, fa tsy izany kosa raha mamely karazana tsy ahazoaba tombontsoa ara-barotra na araka endri-paritra). Ohatra, efa ela ny amboahaolo no noheverina ho anisan' ny "mpanimba" satria mihinana ny akoho tsy mihidy anaty tranony, nefa izy koa dia anisan' ny mpiremby voalohany ny totozy sy ny biby mpikiky hafa, izay mety ho ratsy kokoa ny fahasimbana ataony amin' ny voly sy ny hazo volena (ary raha ireo karazana biby firemby roa ireo dia heverina ho samy mpanimba).
Toa lasa loharanon' ny fifandirana nandritra ny 50 taona fara-fahakeliny ny hoe "zavamananaina mpanimba". Tsy misy biby azo sokajiana amin' ny fomba tsy azo iverenana ho mpanimba, ho remby na ho mpiremby lehibe, fa tsy maintsy miteraka adihevitra mifanohitra ny famaritana azy. Ny fipoiran' ny famaritana toy ny hoe "mpanimba mahasoa" na "mpiremby arovana" dia vokatr' izany dingana izany izay mety hitarika ho amin' ny fanakambanana sokajy mifanilika teo amin' ny tantara. Manondro zavatra tena samihafa ny fiheverana ny maha mpanimba (manimba ny aina, ny toekarena, ny tontolo iainana, ny hakanto, sns.) ary, ho an' ny zavamananaina mpanimba, ny ekôlôga dia tsy afaka mihevitra ny hamaroana sy ny faha be pitsin' ny fifandraisana trôfika sy tsy trôfika na mamaritana amin' ny fomba azo antoka ny tokonan' ny toetra maha mpanimba.