Zanatany
Fiseho
Ny zanatany dia toerana anorenan' ny olombelona fonenana, nefa tsy teratany sy tsy tompontqny ao ireo olombelona ireo, sady karakarain' ny firenena iray (niavian' ireo olona ireo na tsia) any amin' ny faritra lavitra kokoa mba haharitra. Izany dia vokatry ny dingana ara-pôlitika, ara-toekarena, ara-kolontsaina ary ara-piarahamonina antsoina hoe fanjanahantany, izay ahitana ny fitrandrahana ny harena ao amin' ilay faritra sy ny fampandrosoana izany. Ny zanatany, amin' ny ankapobeny, dia akambana ao anatin' ny empira mpanjanaka izay anjakan' ny foto-pisainana tia maka ny tanin' ny hafa an-keriny sy maka an-keriny faritra vaovao ary miaro ireo izay efa eo ambany fifehezany. Izany no atao hoe kôlônialisma.