Zakaria (mpanjakan'i Israely)

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche

I Zakaria dia mpanjakan'i Israely teo antenantenan'ny taonjato faha-8 tal. J.K. Zanak'i Jeroboama II izy. Enim-bolana fotsiny no nanjakany dia novonoin'ny mpanongam-panjakana atao hoe Saloma izy. Araka ny Baiboly dia maty noho ny tsy fanarahana ny fivavahana marina izy. Amin'ny fiteny hebreo dia זְכַרְיָה‎ / Zəḵaryāh no anarany fa amin'ny fiteny latina dia Zacharias. Ao amin'ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.8-12) no itantarana ny fanjakany.

Raha ny amin'ny fotoana nanjakany dia lazain'i William Foxwell Albright fa tamin'ny taona 746 hatramin'ny 745 tal. J.K. izany, nefa i Edwin R. Thiele dia manohana fa tamin'ny taona 753 hatramin'ny 752 tal. J.K. izany. I Floyd N. Jones dia milaza fa mety nanjaka nandritra ny 12 taona i Zakaria satria tsy milaza ny Boky faharoan'ny Mpanjaka (2Mpanj. 15.8) fa nanomboka nanjaka nandritra ny faha-38 taona nanjakan'i Ozia (na Oziasa) izy fa ny enim-bolana farany nanjakany no mifanandrify amin'izany. I Jones kosa dia milaza fa mety nanjaka tamin'ny taona 748 hatramin'ny 772 tal. J.K. i Zakaria.

Jereo koa:[hanova | hanova ny fango]