Zaka matavy
Fiseho
Ny zaka matavy na akora matavy dia akora foronina môlekiola manana toetra hidrôfôba. Ahitana trigliserida indrindraindrindra, izay estera avy amin' ny môlekiola gliserôla iray sy asidra matavy telo, ny zaka matavy. Ny taharo hafa dia ireo tsy azo atao savony.
Ny zaka matavy lehibe indrindra dia:
- ny menaka izay miseho amin' ny endrika ranoka amin' ny mari-panan' efitrano satria ahitana asidra matavy tsy ampoka izay manana tebo-piempoana ambany;
- ny tavy izay iseho amin' ny endrika feta na mivaingana amin' ny mari-panan' efitrano satria misy asidra matavy ampoka izay manana tebo-piempoana ambony kokoa.
Ao amin' ny zavamananaina dia misahana anjara asa telo lehibe ny zaka matavy:
- fitahirizana angovo;
- fitahirizana otrikaina mety levona anaty matavy;
- mpanefitra hafanana (tavy).
Ny zaka matavy voajanahary dia alaina amin' ny alalan' ny:
- tsindry: izany no mitranga amin' ny fisintomana menaka ôliva ohatra;
- fandravana: ampifandraisina amin' ny mpandevona ôrganika, toy ny heksanina, ny vihim-boa misy menaka nopotehina. Mamerina indray ny heksanina ny fanasitiliana aorian' ny fisintonana ary mamela sisa tavela izay mandrafitra ny menaka tsy voadio;
- fanafanana: hafanaina hatramin' ny 70 °C eo ho eo ny tambatselam-biby nopotehina ka mahatonga ny fiempo sy ny fisarahan' ny tavy.
Ampiasaina indrindra hatao fihinana ny zaka matavy: tavy fihinana sy menaka fihinana. Ao amin' ny sehatra indostrialy dia ampiasaina koa ny akora matavy, ohatra, amin' ny fanamboarana savony sy ranoka fanolehana. Ampiasaina amin' ny fanamboarana fanafody sy kôsmetika maro koa izy ireo.