Aller au contenu

Zôdiaka sinoa

Avy amin'i Wikipedia
Ny sary sokitry ny zôdiaka sinoa eo amin' ny valindrihana amin' ny vavahady mankany amin' ny fitoerana masin' i Kushida ao Fukuoka (sary notarafina fitaratra)

Ny zôdiaka sinoa dia rafitra fanasokajiana nentim-paharazana mifototra amin' ny tetiandro sinoa izay mamaritra ho an' ny biby sy izay heverina ho toetrany isan-taona ao anatin' ny tsingerina roa ambin' ny folo taona. Tena manan-danja amin' ny kolontsaina sinoa nentim-paharazana ity zôdiaka ity ary taratry ny fandinihan' ny filôzôfia sy ny kolontsaina sinoa. Araka ny fanaom-bahoaka sinoa dia mifandray amin' ny toetran' ny bibiny ao amin' ny zôdiaka ny toetran' ny olona iray. Avy any Sina ity zôdiaka ity, ny fiovaovany dia mbola fantatra any amin' ny firenena any Aziatia Atsinanana sy any Azia Atsimo-Atsinanana, toa an' i Japôna, i Kôrea Atsimo, i Vietnamy, i Singaporo, i Nepaly, i Botana, i Kambôja ary i Tailandy.

Ny filazana an' izany drafitra izany ho "zôdiaka" dia maneho fitoviana ivelambelany amin' ny zôdiaka tandrefana: samy mizara ny tsingerim-potoana ho roa ambin' ny folo, samy manisy marika ny ankamaroan' ny faritra amin' ny biby, ary samy ampiasaina hanondroana ny toetran' ny olona iray na ny zava-mitranga eo amin' ny fiainany amin' ny fifandraisan' ilay olona manokana amin' ilay tsingerina. Tsy ampiasaina hanehoana ny taona any Sina fotsiny ny biby 12 ao amin' ny zôdiaka sinoa ao anatin' ilay tsingerina, fa inoana koa fa misy fiantraikany amin' ny toetran' ny olona, ​​ny asany, ny fahafahana miaraka, ny fanambadiana ary ny harena.

Momba ny daty anombohan' ny taon-jôdiaka iray dia misy sekolim-pisainana roa ny ao amin' ny fanandroana sinoa: ny taom-baovao sinoa na ny fiandohan' ny lohataona.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]