Yuri Gagarin
| Yuri Gagarin | |||
| Ankapobeny | |||
| Anarana | Yuri Gagarin | ||
| Teraka | 9 Martsa 1934 | ||
| Toerana | - | ||
| Maty | 27 Martsa 1968 | ||
| Fiaviana sy ny andraikitra | |||
| Firenena | Firaisan'ny Repoblika Sosialista Sovietika | ||
| Asa : | |||
| Fiainana manokana | |||
I Yuri Gagarin na Youri Gagarine dia mpanamory sambondanitra sôvietika, teraka tamin' ny 9 Martsa 1934 tao Kluchino (Rosia) ary maty tamin' ny 27 Marsa 1968. I Yuri Gagarin dia ilay olo-malaza amin' ny tantaran' ny siansa sy ny habakabaka. Ny anarany feno dia Yuri Alekseievich Gagarin. Ny asany dia mpanamory fiaramanidina, injeniera, kôsmônôta[1].
Zava-dehibe niavaka
[hanova | hanova ny fango]I Yuri Gagarin no olombelona voalohany nandeha tany amin' ny habakabaka. Tamin' ny 12 Avrily 1961, izy dia nanao sidina manodidina ny Tany tamin' ny sambon-danitra Vostok 1, nandritra ny 108 minitra monja. Izany dia nahatonga azy ho mariky ny fandresen' ny Sôvietika tamin' ny fifaninanana ara-teknôlôjia sy ara-tsiansa tamin' ny Amerikana, nandritra ny Ady Mangatsiaka.
Fiainany manokana sy fianarana
[hanova | hanova ny fango]Teraka tao anaty fianakaviana mpamboly izy sady zanaka fahatelo amin’ny ankizy efatra. Nianatra ho injeniera sy mpanamory sambon-danitra izy. Natao mpanamory miaramila tao amin' ny tafika ana habakabaka sôvietika. Noho ny toetrany tsy matahotra sy kely vatana (ilaina amin' ny habakabaka), dia nofidiana ho anisan' ny kôsmônôta voalohany izy. Ny vadiny dia i Valentina Ivanovna Gagarina. Ny zanany dia i Jelena Gagarin.
Aorian' ny sidina teny amin' ny habakabaka
[hanova | hanova ny fango]Nahazo voninahitra lehibe tao amin' ny fireneny izy: Hero of the Soviet Union. Nandeha nitety tany maro ho solontenan' ny Sôvietika sy masoivohon' ny habakabaka. Tsy navela hamerina nandeha tany amin' ny habakabaka intsony izy, noho ny fisorohana loza mety hitranga.
Fahafatesany
[hanova | hanova ny fango]Nodimandry tamin' ny 27 Marsa 1968 tao amin' ny fianarana nanao fanazaran-tena niaraka amin' ny fiaramanidina MIG-15 izy. Tsy mazava tanteraka hatramin' izao ny tena antony nahatonga ilay lozam-piaramanidina.
Lova sy fanomezam-boninahitra
[hanova | hanova ny fango]
Ny 12 Avrily dia ankalazaina ho Andro iraisam-pirenena ho an' ny sidina ana habakabaka (International Day of Human Space Flight). Firenena maro no nanao kianja, sekoly, kianjam-piaramanidina mitondra ny anarany. Maro koa ny sarivongana sy sary manome voninahitra azy.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Ao amin'i Freebase: Archived Septambra 3, 2014 at the Wayback Machine
