Hankany amin'ny vontoatiny

Yitzhak Ben-Zvi

Avy amin'i Wikipedia
Yitzhak Ben-Zvi

I Yitzhak Ben-Zvi dia mpanao pôlitika israeliana ary filoha faharoan' i Israely nanomboka tamn' ny 8 Desambra 1952 ka hatramin' ny 23 Avrily 1963. Amin' ny teny hebreo ny anarany dia יִצְחָק בֶּן־צְבִי‎‎ / Yitshak Ben-Tsvi. Tamin' ny fahaterahany tamin' ny 24 Novambra 1884 tany Poltava, any Okraina ankehitriny, dia nantsiona hoe Izaak Shymshelevitch izy, ary tany Jerosalema tamin' ny 23 Avrily 1963 no nahafatesany. Nitana andraikitra lehibe teo amin' ny sehatry ny asa sy ny fiarovana ary ny fiambenana ny firenena izy. Mpanorina ny hetsika marksista sy ziônista Poale Zion ("Mpiasan' i Ziôna"), izay nanoratany lahatsoratra maro tao amin' ny gazetin' io hetsika io izy sady mpikaroka ihany koa, manam-pahaizana manokana momba ny Fokon' i Israely sy ny vahoaka samaritana.