Aller au contenu

Yangtse

Avy amin'i Wikipedia
Yangtse tao Wuhan (China)
renirano Yangtse

Ny Yangtse ( (Chang Jiang)) no renirano lehibe indrindra any  Sina. Amin'ny 6.380 kilometatra, ka ny 2.800 kilometatra amin'ireo no azo samborina, izy io koa no renirano lava indrindra any Azia ary renirano fahatelo lava indrindra eran-tany aorian'i Nily sy Amazôna. Ao amin'ny Plateau Tibetana any Qinghai ny loharanony.

Mamakivaky ny tanànan'i Chongqing, Wuhan, Nanjing izy io ary mikoriana mankany amin'ny Oseana Pasifika any avaratr'i Shanghai.