Xanthomixis cinereiceps

Ny Xanthomixis cinereiceps dia karazam-boron-kely malagasy ao amin' ny fianakaviana Bernieridae. Any amin' ny ilany atsinanana sy avaratr' i Madagasikara ihany no ahitana azy.
Fanoritsoritana
[hanova | hanova ny fango]Ity vorona ity dia lavalava, maitso lamosina, volondavenona ny volo amin' ny lohany sy amin' ny saron-tsofiny, fotsy ny tendany, mavo ny ambany, ary volondavenona ny tongony. Ny vavany manify dia mavokely matroka.
Toeram-ponenana sy faritra ahitana azy
[hanova | hanova ny fango]Ny fonenany voajanahary dia ny ala mando tsy vaky an-tendrombohitra any amin' ny faritra atsinanan' i Madagasikara. Eo anelanelan' ny 900 ka hatramin' ny 2 000 m ny haambo misy azy, ary fahita indrindra any amin' ny ala amin' ny toerana avo kokoa amin' ny haambo 1 400 ka hatramin' ny 1 800 m. Mahalana no ahitana azy any amin' ny ala voakorontana na any amin' ny ala maina an-tendrombohitra. Mihinana bibikely madinika eo amin' ny vatan-kazo misy volombato izy ary indraindray amin' ny kirihitra ambany hazo, zara raha hita eny amin' ny tany. Matetika izy io no hita amin' ny andiana ahitana karazam-borona maro. Atahorana ho lany tamingana ity karazana ity noho ny fahaverezan' ny toeram-ponenany.
Fananahana
[hanova | hanova ny fango]Voamarika fa manao akany ity karazam-borobna ity amin' ny Nôvambra, ary amin' ny Nôvambra sy Desambra kosa no ahitana ny zanany vao teraka. Miendrika vilia baolina ny akaniny ary vita amin' ny volombato notemerina bozaka maina sy tsiraka palmie, apetrany amin' ny rantsankazo marindrano miala iray na roa metatra ambonin' ny tany. Matetika ny vavy dia manatody telo isaky ny fizaràn-taona. Araka ny fandinihana dia karazam-borona miara-miasa amin' ny famahanana izy io.