Woodfordia fruticosa


Ny Woodfordia fruticosa dia karazan-javamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Lythraceae. Teratany any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly aty Afrika Atsinanana (anisan' izany i Madagasikara), any Azia Atsimo ary any Azia Atsimo-Atsinanana, hita any amin' ny faritra aniroan-kirihitrala maina, ala mazava ary amin' ny toerana misolampy be vato. Atao hoe iratrika, lambohenjana na pisopiso izy io amin' ny teny malagasy.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Hazobotry misy rantsana mahia sy mahitsy ny Woodfordia fruticosa, izay manana haavo mety mahatratra 3 m. Misy ny mitovy haavo amin' ny hazo indraindray.
Ravina
[hanova | hanova ny fango]Miendrika lela lefona, manana sisiny malama, mifarana amin' ny tendro maranitra, izay mandeha tsiroaroa an-daniny sy an-kilan' ny taho (mifanohitra).
Vony sy voa
[hanova | hanova ny fango]Mamorona vondrombony mikirazorazo avy amin' ny rantsana ny voniny. Mitambatra ka lasa miendrika lantonoara ipoiran' ny lahimbony maro ny vondrom-pelambony mena marevaka. Ny voany dia kapsily salavalava misy vihim-boa madinika maro.
Faritra sy toerana tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]
Maniry any amin' ny faritra trôpikaly sy sobtrôpikaly aty Afrika Atsinanana (anisan' izany i Madagasikara), any Azia Atsimo ary any Azia Atsimo-Atsinanana, ny Woodfordia fruticosa. Hita manerana ny Zana-kôntinanta Indiana, indrindra any avaratra. Mahalanay izy io any amin' ny faritra atsimon' i India. Na any Himalaya, any amin' ny haambo 1 500 m, dia mbola ahitana azy.
Any amin' ny faritra anirian-kirihitrala maina, ala mazava ary amin' ny toerana misolampy be vato no tena tiany aniriana. Ny Woodfordia fruticosa dia tia maniry amin' ny faritra maina.
Fampiasana sy toetra ara-tsimia
[hanova | hanova ny fango]
Mifototra indrindra amin' ny fitanehana ny fakany hatao tambavy ny Woodfordia fruticosa. Malaza indrindra amin' ny fananany fiasa manaitaitra sy mampifoha ny filana ara-nofo izy io, ka mahatonga azy ho fanafody itsaboana ny olana ara-pahasalamana mifandray amin' ny fahanterana, ary koa itsaboana ny fahalemen' ny fitaovam-pananahana, indrindra raha vokatry ny aretina angatra nitaiza izany. Ampiasaina ho fanafodin' ny poizina alefan' ny hala antsoina hoe tarabiby (Thomisus foka) io zavamaniry io.
Vokatry ny biôsimia saro-drafitra ao aminy ny fahombiazan' ny Woodfordia fruticosa, indrindra ny fisian' ny karazana fenôlika maro izay miseho amin' ny endrika kristaly mavo azo levonina anaty asetata etila. Tsy misy alkalôida ny fakany nefa ahitana singa isan-karazany ny ampahany hafa amin' ilay zavamaniry. Betsaka akora handatra ny voniny sy ny raviny fa misy gôma be dia be ny hodiny kosa. Ao koa ny antôsianôla sy ny flavôna.