Wollastonia biflora

Ny Wollastonia biflora dia karazana zavamaniry mamony malaky mitombo, ao amin' ny fianakaviana Asteraceae avy amin' ny faritra Indô-Pasifika. Fantatra koa amin' ny anarana hoe Melanthera biflora izy.
Faritra sy toerana tiany aniriana
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry tia tany masira izy io ary be dia be any amin' ny faritra trôpikaly Indô-Pasifika. Amin' ny ankapobeny dia hita any amin' ny faritra amorontsiraka sy any amin' ny nosy maro izy io. Maniry eny amorontsiraka, akaikin' ny torapasika sy amin' ny sisin' ny ala honko, na eny amin' ny tehezan-kavoana misy ahitra sy eny ny sisin' ala ity zavalaniry ity. Toy ny ny Portulaca oleracea sy ny Ipomoea pes-caprae ary ny Digitaria ciliaris koa ny Melanthera biflora izay anisan' ny karazana zavamaniry voalohany manjanaka ny toerana voakorontana sy simba any amin' ny faritra mafana.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]
Maniry mihoatra ny roa taona ny Wollastonia biflora. Mety hahatratra 2 m ny haavon' ny tahony sady mirona ho hazobotry, mitady fanohanana avy amin' ny zavamaniry hafa na tany mikintoana mba hamoronana vondrona matevina izy io. Miendrika volom-borona ny raviny izay manana sisiny somary mifanery. Kely sy mavo ny voniny, izay manana savaivony 8-10 mm. Miendrika loha makitroka ny voany.
Anarana
[hanova | hanova ny fango]Be dia be ny anarana mety hahafantarana azy io:
- Acmella biflora (L.) Spreng.
- Adenostemma biflorum (L.) Less.
- Buphthalmum australe Spreng.
- Eclipta scabriuscula Wall.
- Melanthera biflora
- Niebuhria biflora (L.) Britten
- Seruneum biflorum (L.) Kuntze
- Spilanthes peregrina Blanco
- Stemmodontia biflora (L.)
- Stemmodontia canescens (Gaudich.)
- Verbesina aquatilis Burm.
- Verbesina argentea Gaudich.
- Verbesina biflora L.
- Verbesina canescens Gaudich.
- Verbesina strigulosa Gaudich.
- Wedelia argentea (Gaudich.) Merr.
- Wedelia biflora (L.) DC.
- Wedelia canescens (Gaudich.) Merr.
- Wedelia chamissonis Less.
- Wedelia glabrata (DC.) Boerl.
- Wedelia rechingeriana Muschl.
- Wedelia strigulosa (Gaudich.) K.Schum.
- Wedelia tiliifolia Rechinger & Muschl.
- Wollastonia canescens DC.
- Wollastonia glabrata DC.
- Wollastonia insularis DC.
- Wollastonia scabriuscula DC. ex Decne.
- Wollastonia strigulosa (Gaudich.)
- Wollastonia zanzibarensis DC.