Wikispecies

Ny Wikispecies dia tetikasa an-tserasera mifototra amin' ny wiki, tohanan' ny Wikimedia Foundation. Ny tanjony dia ny hamorona katalôgim-botoaty misokatra feno amin' ny karazan-javamananaina rehetra; ity tetikasa ity dia miantefa amin' ny mpahay siansa, fa tsy amin' ny besinimaro. Nilaza i Jimmy Wales fa tsy voatery handefa ny diplômany amin' ny alalan' ny fax ny mpandray anjara, fa tsy maintsy mandalo amin' ny fepetran' ny mpamaky teknika kosa ny lahatsoratra. Azo alaina eo ambanin' ny GNU Free Documentation License sy ny CC BY-SA 4.0 ny Wikispecies.
Tahaka ny Wikipedia koa dia fananan' ny Wikimedia Foundation ny Wikispecies, ary ny votoatiny, izay azo hatsaraina malalaka, dia arovan' ny lisansa Creative Commons "Attribution-ShareAlike". Nanomboka tamin' ny Septambra 2004, niaraka tamin' ny biôlôjista maneran-tany nasaina handray anjara, dia lasa rafitra iray mirakitra ny taksônômian' i Linné miaraka amin' ny rohy mankany amin' ny lahatsoratra Wikipedia momba ny karazan-javamananaina tsirairay, ilay tetikasa tamin' ny Avrily 2005.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://species.wikimedia.org