Wikipedia amin' ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy (malagasy: Wikipedia Raki-pahalalana malalaka) dia tetikasa iray an'ny Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia "mg", ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy amin'ny ankapobeny. Tamin'ny volana Aprily 2004 no niainga ny Wikipedia amin'ny teny malagasy.

Tamin'ny 28 jolay 2025 dia misy lahatsoratra miisa 100 616 ny Wikipedia amin'ny teny malagasy ary misy mpikambana miisa 36 116, ahitana mpikambana mavitrika 63 sy mpandrindra 2. Izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin' ny fiteny baritô. Ny 12 martsa 2026 kosa dia 102 274 ny isan'ny lahatsoratra ato amin'ny Wikipedia amin'ny teny malagasy.
Amin'ny ankapobeny (manakaiky ny efapolo tapitrisa) aty Madagasikara sy ireo nosy manodidina azy no toerana be mpiteny malagasy. Na dia izany aza raha oharina amin'ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho fiteny ôfisialy, vitsy ny mpitsidika avy eto Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin'ny fiteny malagasy[1], ary vitsy ny mpitsidika ny Wikipedia amin'ny teny malagasy eto Madagasikara[2].
Fiteny ampiasaina amin' ny votoatiny
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny tena ampiasaina amin' ny fanoratana ny lahatsoratra amin' ny teny malagasy dia ny fiteny malagasy ôfisialy. Na dia izany aza tsy ny fiteny malagasy ôfisialy ihany no azo ampiasaina eto amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy fa ekena avokoa ny fitenim-paritra rehetra. Araka izany ny kaodim-piteny ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy dia "mg" fa tsy "plt" (avy amin'ny voambolana vahiny hoe plateau), izay natao hanondroana ny fiteny malagasy anivontany na ny faritra afovoan'i Madagasikara.
Fivoaran' ny isan' ny lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana Aogositra 2012, lasa Wikipedia amin' ny fiteny afrikanina lehibe indrindra ny Wikipedia amin' ny teny malagasy izay nahitana lahatsoratra 38 000 sy mpikambana 4 900. Ny Wikipedia amin' ny teny afrikanina manaraka azy dia ny Wikipedia amin' ny teny soahily sy ny Wikipedia amin' ny teny iôroba izay manana lahatsoratra niisa 30 000 sy 24 000. Telo volana sy tapany taty aoriana tamin' ny volana Desambra 2012, nihoatra ny 40 000 ny isan' ny lahatsoratra, izay nahatonga ny Wikipedia amin'ny teny malagasy hahatratra voalohany indrindra lahatsoratra miisa efatra alina.
Tamin' ny Jolay 2020, 90 000 teo ho eo ny lahatsoratra nananan'ity Wikipedia amin'ny teny malagasy ity. Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025 (laharana faha-61 maneran-tany).
Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia izy no Wikipedia amin' ny teny afrikana laharana faha-4 raha ny habetsaky ny lahatsoratra no heverina (lahatsoratra 100 614), eo aorian' ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana (lahatsoratra 1 628 231), amin' ny teny afrikansa (lahatsoratra 125 505), amin' ny teny soahily (lahatsoratra 100 838), ary eo alohan' ny Wikipedia amin' ny teny haosa (lahatsoratra 63 489), amin' ny teny igbô (lahatsoratra 43 154), amin' ny teny iôroba (lahatsoratra 35 508).
Tamin' io daty io ihany dia izy no Wikipedia amin' ny fiteny aostrôneziana laharana faha-6 aorian' ny Wikipedia amin' ny teny seboanô (lahatsoratra 6 116 227), amin' ny teny oaray-oaray (lahatsoratra 1 266 721), amin' ny teny indôneziana (lahatsoratra 736 652), amin' ny teny maley (lahatsoratra 430 606), ary amin' ny teny minangkabao (lahatsoratra 228 478).
Daty
[hanova | hanova ny fango]- Aprily 2004 : Daty nanokafana ny Wikipedia amin' ny teny malagasy.
- Oktobra 2005 : Famaranana ny lahatsoratra faha-100.
- Aprily 2009 : 1 000 ny isan' ny lahatsoratra.
- Janoary 2010 : 2 000 ny isan' ny lahatsoratra
- 6 Mey 2011 : 10 000 ny isan' ny lahatsoratra
- Jolay 2020 dia efa nisy lahatsoratra 90 000 teo ho eo.
- Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025.
- 28 Jolay 2025, ny Wikipedia malagasy dia nanana lahatsoratra miisa 100 614.
- Androany Alahady faha 9 ny volana Aogositra 2026, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 103 568.
Fahalemeny sy vahaolana
[hanova | hanova ny fango]Fahalemen' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Fahalemen' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy ny tsy fahampian' ny mpandray anjara mahafeno fepetra. Misy fiantraikany mivantana amin' ny halalin' ny votoatim-pejy amin' ny ankapobeny sy amin' ny kalitao ary amin' ny lanjan' ny votoatiny izany.
Tsy fahampian' ny mpandray anjara
[hanova | hanova ny fango]Na dia eo aza ny hamaroan' ny lahatsoratra (mihoatra ny 100 000) dia tena vitsy ny mpikambana mpandray anjara mavitrika amin' ny famoronana sy amin' ny fanitarana lahatsoratra (am-polony vitsivitsy ihany ny mpandray anjara tsy tapaka sady vitsy ny mpitantana). Mametra ny famoronana, ny fikojakojana, ny famerenana mamaky ary ny fanatsarana ny lahatsoratra ity fahalemena ara-drafitra ity, ary manakana ny fisian' ny rafitra fanaraha-maso anatiny momba ny kalitaon' ny lahatsoratra.
Fiankinana tafahoatra amin' ny bot
[hanova | hanova ny fango]Novokarina amin' ny fomba mandeha hoazy amin' ny alalan' ny bot (rôbô) ny ampahany lehibe amin' ny isan' ny lahatsoratra. Na dia mampiakatra ny isan' ny lahatsoratra amin' ny ankapobeny aza izany dia mamokatra lahatsoratra betsaka izay tena fohy sy tsy dia mitondra fahalalana firy. Manampy trotraka amin' ny fisian' ny hadisoana momba ny zava-misy resahina sy momba ny fiteny ary momba ny endriky ny lahatsoratra koa ity famoronana mandeha hoazy ity.
Tsy fitovian' ny kalitaon' ny lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Vitsy kokoa ny lahatsoratra manana votoatiny lalina, na manana loharano azo itokisana, na mirafitra ho tena lahatsora-draki-pahalalana. Miverimberina ny olana momba ny fampiasana ny teny malagasy: rafi-pehezanteny tsy mazava, fandikan-teny ara-bakiteny avy amin' ny teny frantsay na avy amin' ny teny anglisy, ary ny tsy fahampian' ny fampanaraham-penitra ny voambolana, indrindra eo amin' ny sehatry ny siansa sy ny teknika.
Fandrakofana ara-dohahevitra tsy mifandanja
[hanova | hanova ny fango]Matetika ny lohahevitra mahafaobe na ankapobeny no betsaka kokoa noho ny lohahevitra momba an' i Madagasikara manokana. Vitsy ny lahatsoratra momba ny taranja fototra sasany (siansa, fitsaboana, lalàna, toekarena, teknôlôjia), ary mibahan-toerana ny lohahevitra momba ny tantara sy ny kolontsaina izay indraindray anaovana fitantarana sy filazàna tsotsotra.
Teritery ara-tsôsialy sy ara-teknika
[hanova | hanova ny fango]Manakana ny fidirana an-tsehatry ny mpandray anjara vaovao ny fidirana voafetra amin' ny aterineto sy ny vidin' ny fahana ary ny fahalemen' ny kolontsain' ny fanoratana mahafeno fepetra ho raki-pahalalana amin' ny teny malagasy. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian' ny loharanom-pahalalana akademika voasoratra amin' ny teny malagasy sy ny tsy fisian' ny fiaraha-miasa anaty rafitra amin' ny oniversite sy amin' ny sampam-pikarohana, ka manamafy ny sangodim-panina misy eo amin' ny fahavitsian' ny fahazarana mikirakira sy ny fandraisana anjara izany.
Fahalemen' ny fidirana amin' ny tontolon' ny fahalalana
[hanova | hanova ny fango]Mbola tsy ampiasaina ho fanovozan-kevitra amin' ny fampianarana sy amin' ny fikarohana ny Wikipedia amin' ny teny malagasy. Mametra ny fahalianan' ny manampahaizana (mpampianatra, mpikaroka, matihanina), izay tena ilaina amin' ny fanatsarana ny kalitaon' ny votoatiny izany olana izany.
Vahaolana ho an' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny hetsika mikendry ny hanentanana ny mpiteny malagasy teratany sy mpandray anjara mahafeno fepetra (toy ny WikiTeny[3][4] na Wikimedia Madagascar[5][6]) dia fitaovana manan-danja, saingy voafetra ihany ny fiantraikan' izy ireo raha tsy misy ny fandraisana anjara mivelatra kokoa avy amin' ny tontolon' ny fanabeazana sy ny tontolo akademika.
Lohahevitra
[hanova | hanova ny fango]Natao ho an' ny mpamaky miteny malagasy, izay ny maro anisa aminy dia Malagasy, ity rakipahalalana ity. Azo ampiasaina eo amin' ny fiarahamonina sy entina hameno ny banga eo amin' ny tahirinkevitra amin' ny teny malagasy ny lohahevitra raketiny, ary misy fiantraikany maharitra ho an' ny fanabeazana izany. Mirakitra lohahevitra be dia be ity rakipahalalana ity nefa ny firafitry ny angon-drakitra ao aminy dia mampiseho fa misy sokajin-dohahevitra sasany izay manjaka amin' ny famokarana votoaty.
Momba an' i Madagasikara sy ny Malagasy
[hanova | hanova ny fango]Zava-misy ao amin' ny firenena sy ny faritra
[hanova | hanova ny fango]Ny lahatsoratra momba ny tantaran' i Madagasikara, ny andrim-panjakana, ny faritra, ny tanàn-dehibe ary ny fizaràna ara-pitantanana dia ampahany lehibe amin' ny votoatin' ity rakipahalalana ity. Betsaka ny fampahalalana misy amin' ny teny vahiny (ny teny frantsay sy anglisy indrindraindrindra) izay tsy dia misy loatra amin' ny teny malagasy tsara rafitra. Anisan' ny lohahevitra manjaka amin' izany ireto:
- ny fanjakà-mpanjaka talohan' ny fanjanahantany (oh: Fanjakan' Imerina);
- ny fanjanahantany frantsay sy ny vanim-potoan' ny fitroarana malagasy tamin' ny taona 1947;
- ny olo-malaza ara-pôlitika (ohatra: Philibert Tsiranana);
- ny vohon' ny tany sy ny renirano ary ny nosy eto Madagasikara;
- ny faritany, ny faritra, ny distrika ary ny kaominina;
- ny valan-javaboary ary ny tahirin-javaboary eto Madagasikara. (ohatra: Andasibe-Mantadia);
- ny olana ara-tontolo iainana (fandripahana ala, haintany any amin' ny faritra Androy, sns.)
Zavaboary sy karazan-javamananaina
[hanova | hanova ny fango]Malaza maneran-tany i Madagasikara noho ny karazan-javamananaina be dia be ao aminy. Mandray anjara amin' ny fampahafantarana ara-tsiansa amin' ny teny malagasy izany rehetra izany ny Wikipedia amin' ny teny malagasy.
- ny karazan-javamaniry sy karazam-biby misy eto Madagasikara (ohatra: karazam-borona, biby mampinono, sahona sy ny mitovitovy aminy, biby mandady, sns);
- ny faritra arovana, trangan-javatra voajanahary (ohatra ny fiforonan' ny tsingy);
- ny zavamaniry fanao fanafody sy zavamaniry fihinam-boa eto Madagasikara;
- ny rohivoary (ohatra: ny ala maina any atsimo, ny ala honko).
Kolontsaina sy lova tsy azo tsapain-tanana
[hanova | hanova ny fango]Misy koa ny andian-dahatsoratra maro atokana ho an' ny kolontsaina malagasy. Ny fisian' ny votoaty mifandraika amin' izany dia mamaly ny filàna fandraketana ny lova tsy azo tsapain-tanana sy ara-piteny amin' ny fitenim-pirenena malagasy, hampiroboroboana ny fitahirizana sy ny fampitana azy ireo amin' ny taranaka mifandimby.
- ny lovantsofina am-bava, ny ohabolana, ny kabary, ny zavakanto, ny mozika ary dihy;
- ny kolontsaim-bahoaka, ny finoana, ny fomba amam-panao, sns;
- ny teny malagasy sy ny fitenim-paritra ao aminy;
- ny mozika nentim-paharazana (oh: ny tsapiky);
- ny rohim-pihavanana, ny fombafomba fandevenana (ohatra: fihavanana, famadihana);
Andrim-panjakana sy fiainam-pirenena
[hanova | hanova ny fango]An-dalam-pivoarana koa ny fandrakofana ny sehatra mahakasika ny andrim-panjakana sy ny fiainam-pirenena satria matetika izy ireo dia mitaky loharano ara-teknika bebe kokoa sy manara-penitra amin' ny teny malagasy. Izany dia atao mba ho fanamorana ny fahafahana mahazo vaovao amin' ny maha olom-pirenena.
- ny fandaminana ny fitondram-panjakana;
- ny andrim-panjakana (oh: Antenimierampirenena, Antenimierandoholona, sns);
- ny fanabeazana sy fampianarana, ny fahasalamam-bahoaka, ny fotodrafitrasa.
Toekarena malagasy
[hanova | hanova ny fango]Ny lohahevitra mahakasika ny toekarena malagasy dia manome vaovao momba ny hetsika ara-tsôsialy sy ara-toekarena misy eto Madagasikara.
- ny fambolena (fambolena vary, lavanila, jirofo);
- ny fiompiana (omby, akoho amam-borona sns);
- ny jono sy ny fitrandrahana ala;
- ny asa tanana sy ny indostria;
- ny fitrandrahana harena an-kibon' ny tany (ohatra: nikela, kôbalta, eladrano, volamena, fasimainty).
Momba izao tontolo izao sy lohahevitra hafa
[hanova | hanova ny fango]Ny Wikipedia amin' ny teny malagasy dia tsy voafetra amin' ny lohahevitra mifandraika amin' i Madagasikara na amin' ny vahoaka malagasy fotsiny. Mikendry ny fandrakofana ankapobeny izy io. Ny sehatra lehibe dia ahitana ireto lohahevitra manaraka ireto:
Siansa
[hanova | hanova ny fango]An-dalam-pivoarana ny fandrakofana ny sehatry ny siansa fototra, satria matetika izany dia mitaky loharanom-pahalalana ara-teknika bebe kokoa sy fampanaraham-penitra ny voambolana marin-toerana amin' ny teny malagasy. Mampivelatra ny fahafaha-maneho hevitra ara-tsiansa mahaleo tena amin' ny teny malagasy izany.
- lahatsoratra momba ny biôlôjia (biby mandady sy mikisaka, biby manana hazondamosina, sns);
- lahatsoratra momba ny fizika sy simia (haikintana, fiota, atôma, môlekiola, iôna, sns);
- lahatsoratra momba ny matematika (aljebra, jeômetria, sns);
- lohahevitra momba ny toekarena (seha-pihariana, seha-pihariana voalohany, seha-pihariana faharoa, sns);
- lohahevitra momba pôlitika ankehitriny (fitsinjaram-pahefana, fanapariaham-pahefana, federalisma, sns).
Tantara maneran-tany
[hanova | hanova ny fango]Manaraka ny firafitry ny rakipahalalana mahazatra ny fizaràna momba ny tantaran' izao tontolo izao amin' ny ankapobeny, ahitana lahatsoratra mamintina sy lahatsoratra manokana. Miovaova arakaraka ny vanim-potoana sy ny fahafahan' ny mpandray anjara ny fandrakofana.
- ny sivilizasiôna tamin' ny Andro fahagola (Mesôpôtamia, Ejipta taloha, Sina taloha);
- ny Andro Taloha klasika (Empira Rômana, Aleksandra Lehibe, sns);
- i Eorôpa tamin' ny Andro Antenatenany (feodalisma, kroazada, sns);
- ny fanitaran-tany silamo (fanitaran-tany nataon' ny Arabo);
- ny olo-malaza ara-pivavahana sy ara-pôlitika tamin' ny Andro Antenatenany.
- ny Andro Vaovao (Revôlisiôna Frantsay, Revôlisiona Indostrialy, fahitan-tany vaovao, fanjanahantany, sns);
- ny Andro Ankehitriny (ady lehibe, Ady Lehibe I, Ady Lehibe II, Ady Mangatsiaka, sns);
- Misy ihany koa ny firesahana momba ny firenena môderina sy ny mpitarika pôlitika ary ny fikambanana iraisam-pirenena.
Jeôgrafia iraisam-pirenena
[hanova | hanova ny fango]Ny jeôgrafia iraisam-pirenena ao amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy dia manolotra sarintanin' izao tontolo izao: fanjakana, firenena, kôntinanta, tanàna lehibe, bikan-tany, ary fikambanana iraisam-pirenena. Izy io dia manome fahafahana miditra amin' ny fanondroana toerana maneran-tany amin' ny teny malagasy:
- fanjakana sy vondrona pôlitika: firenena manana fiandrianana (Frantsa, Brezila, Sina, sns), faritra sy fizaràna madinika kokoa (fanjakana federe, faritany, faritra mizaka tena);
- kôntinanta sy faritra iraisam-pirenena: Afrika, Azia, Eorôpa, Amerika, faritra ara-kolontsaina lehibe;
- tanàna lehibe sy metrôpôly (Paris, Tokyo, New York, sns);
- jeôgrafia ara-boanjanahary: endri-tany lehibe (Himalaya, Andes, sns), ony sy renirano (Nily, Amazônia, sns), tany efitra sy faritra ara-toetany (Sahara, Sahel, sns);
- fikambanana iraisam-pirenena sy sampana jeôpôlitika: Vondrona Eorôpeana, Firenena Mikambana
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Sehatra ofisialy
- Statistika Archived Martsa 11, 2013 at the Wayback Machine
Loharano
[hanova | hanova ny fango]
|