Wikipedia amin' ny teny zolo
Fiseho

Ny Wikipedia amin' ny teny zolo (zolo: Wikipedia yesiZulu) dia Wikipedia amin' ny iray amin' ny fiteny banto ampiasaina indrindra ao Afrika Atsimo, dia ny fiteny zolo. Natomboka tamin' ny fomba ôfisialy tamin' ny Novambra 2003 izy io ary tamin' ny Oktobra 2004 no tena nampiasana azy. Ny kaodiny dia zu.
Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia ny nisy lahatsoratra 11 691 ny Wikipedia amin' ny teny zolo ary misy mpandray anjara 23 604, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 54 sy ny mpitantana 1.
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]- Tamin' ny 2007 dia nahatratra lahatsoratra 100 ny Wikipedia amin' ny teny zolo, ka nahatonga azy io ho ny Wikipedia amin' ny teny afrikana tsy avy amin' ny fanjanahantany fahatelo lehibe indrindra, aorian' ny Wikipedia amin' ny teny soahily Swahili sy Wikipedia amin' ny teny afrikansa.
- Tamin' ny 13 Marsa 2015 dia nanana lahatsoratra 703 izy ary mpampiasa voasoratra anarana 7 296, ka izany dia nahatonga azy ho Wikipedia faha-240 amin' ny isan' ny lahatsoratra ary faha-183 amin' ny isan'ny mpampiasa voasoratra anarana, anisan' ny Wikipedia amin' ny fiteny 287 mavitrika.
- Tamin' ny 7 Novambra 2022 dia nisy lahatsoratra 10 631 ary manana mpandray anjara 18 054, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 35 sy ny mpitantana 1.
- Tamin' ny 25 Septambra 2024 dia nisy lahatsoratra 11 529 ary manana mpandray anjara 22 070, ahitana mpandray anjara mavitrika 105 sy mpitantana 1.
- Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra 11 691 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).