Wikipedia amin' ny teny soahily

Ny Wikipedia amin' ny teny soahily (soahily: Wikipedia ya Kiswahili) dia Wikipedia voasoratra amin' ny fiteny banto iray: ny fiteny soahily, izay ampiasaina any Kenià, any amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô, any Oganda, ary any Tanzania. Natomboka tamin' ny 8 Marsa 2003 izy io. Ny kaody dia: sw.
Tamin' ny 28 Jolay 2025 izy dia misy lahatsoratra 100 383 ary misy mpandray anjara 79 721, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 462 ary mpitantana 14 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).
Fanehoana
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny taona 2007 dia ny Wikipedia amin' ny teny soahily no lasa Wikipedia amin' ny fiteny afrikana tsy nentin' ny fanjanahantany, eo alohan' ny Wikipedia amin' ny teny afrikansa sy ny Wikipedia amin' ny teny zolo.
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]- Tamin' ny Febroary 2009 dia nanana lahatsoratra 9 000 eo ho eo izy ary mpampiasa voasoratra anarana 2 000.
- Tamin' ny Mey 2011 dia efa ho 2 500 ny lahatsoratra.
- Tamin' ny 4 Novambra 2022 dia nisy lahatsoratra 75 324 ary manana mpandray anjara 56 518, misy mpandray anjara mavitrika 104 ary mpitantana 14.
- Tamin' ny 10 Aogositra 2024 dia nisy lahatsoratra 82 436 ary manana mpandray anjara 68 721, misy mpandray anjara mavitrika 188 ary mpitantana 14.
- Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra miisa 100 383 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).