Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana

Avy amin'i Wikipedia

Ny Wikipedia amin' ny teny rabo ejiptiana (arabo ejiptiana: ويكيبيديا مصرى‎, [we̝kɪˈbedjæ ˈmɑsˤri, wɪkɪˈpɪdjæ-], ‹wykybydya mṣry›) dia Wikipedia amin' ny fiteny semitika, endrika iray amin' ny teny arabo, ampiasaina ao Ejipta. Natomboka tamin' ny 24 Novambra 2008 ity Wikipedia ity. Ny aody dia: arz.

Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia misy lahatsoratra miisa 1 628 230 ny Wikipedia amin' ny teny rabo ejiptiana ary manana mpandray anjara 265 301, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 173 sy mpitantana 7.

Tamin' ny 30 Marsa 2008 dia nisy tolo-kevitra natao hananganana ny Wikipedia amin' ny teny rabo ejiptiana. Natomboka tamin' ny 2 Avrily 2008 tao amin' ny Wikimedia Incubator ilay tetikasa, ary tamin' ny Novambra 2008, tao amin' ny wikipedia.org. Tamin' ny Marsa 2012 dia nisy lahatsoratra 8 400 teo ho eo.

I Florence Devouard, filoha teo aloha tao amin' ny Wikimedia Foundation, dia nilaza hoe: "Tena tianay ny handraisan' ny olona anjara amin' ny fitenin-drazany[1]."

Antontanisa

[hanova | hanova ny fango]
  • Tamin' ny Marsa 2012 dia nanana lahatsoratra maherin' ny 8 400 ny Wikipedia amin' ny teny rabo ejiptiana.
  • Tamin' ny 13 Jolay 2020 dia nanana lahatsoratra 912 874 eo ho eo, mpampiasa 133 277, mpampiasa mavitrika 192 ary mpitantana 6.
  • Tamin' ny 20 Septambra 2022 dia misy lahatsoratra 1 600 802 ary manana mpandray anjara 190 998, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 199 sy mpitantana 7.
  • Tamin' ny 10 Aogositra 2024, ny Wikipedia amin' ny teny rabo ejiptiana dia misy lahatsoratra miisa 1 624 242 ary manana mpandray anjara 244 200, ahitana mpandray anjara mavitrika 201 sy mpitantana 7.
  • Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra 1 628 230 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607)

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Samir, Amira. "Le masri est-il contre l’arabe ? [arsiva]" Al-Ahram Hebdo. 23 décembre 2009.