Wikipedia amin' ny teny arabo

Ny Wikipedia amin' ny teny arabo (arabo: ويكيبيديا العربية Wīkībīdyā al-ʿArabiyya na ويكيبيديا، الموسوعة الحرة Wīkībīdyā, al-Mawsūʿa al-Ḥurra) dia Wikipedia amin' ny fiteny semitika ampiasaina any amin' ny Tontolo Arabo. Natomboka tamin' ny 9 Jolay 2003 izy io. Ny kaody dia: ar.
Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra miisa 1 272 571 ity Wikipedia iy ary manana mpandray anjara 2 747 741, ahitana mpandray anjara mavitrika 7 975 sy mpitantana 26.
Fanehoana
[hanova | hanova ny fango]Mpitsidika
[hanova | hanova ny fango]Araka ny filazan' ny Alexa (fr), tamin' ny 26 Novambra 2014, ny Wikipedia amin' ny teny arabo no laharana faha-10 be mpitsidika indrindra tamin' io volana io[1]. Mikasika ny mpitsidika isam-pirenena dia toy izao ny fitsinjarana tamin' ny volana Jona 2018:
| Laharana | Firenena | Lahatsoratra novangina |
|---|---|---|
| 1 | Arabia Saodita | 22,3% |
| 2 | Ejipta | 12,9% |
| 3 | Marôka | 10,4% |
| 4 | Etazonia | 7,1% |
| 5 | Alzeria | 7,0% |
| 6 | Iràka | 5,3% |
| 7 | Jôrdania | 3,7% |
| 8 | Kôety | 3,0% |
| 9 | Emirata Arabo Mitambatra | 2,9% |
| 10 | Siria | 2,2% |
Fandraisana anjara
[hanova | hanova ny fango]Ny firenena folo voalohany niavian' ny mpandray anjara tamin' ilay rakipahalalana an-tserasera amin' ny teny arabo nandritra ny volana Desambra 2014, raha ny amin' ny fanovana pejy fa tsy olona, dia: Arabia Saodita (23,5 %), Ejipta (19,8 %), Marôka (7,9 %), Alzeria (7,5 %), Iràka (4,7 %), Jôrdania (4,1 %), Palestina (3,8 %), Tonizia (3,0 %), Emirata Arabo Mitambatra (2,7 %) ary Israely (2,6 %).
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]Wikipedia amin' ny teny arabo
- Tamin' ny 10 Novambra 2020 dia nanana lahatsoratra miisa 1 077 037 ny Wikipedia amin' ny teny arabo ary nanana mpampiasa voasoratra anarana 1 950 574, ka mahatonga azy io ho laharana faha-16 amin' ny Wikipedia lehibe indrindra amin' ny isan' ny lahatsoratra ary faha-9 lehibe indrindra amin' ny isan' ny mpampiasa voasoratra anarana, amin' ny Wikipedia amin' ny fiteny 314 mavitrika.
- Tamin' ny 20 Septambra 2022dia nisy lahatsoratra 1 186 842 ary nisy mpandray anjara 2 303 953, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 4 630 sy ny mpitantana 27.
- Tamin' ny 9 Aogositra 2024 dia nisy lahatsoratra 1 238 505 ary nanana mpandray anjara 2 607 964, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 3 621 sy ny mpitantana 24.
- Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra 1 272 571 ny Wikipedia amin' ny teny arabo
- Marihina fa tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra miisa 10 676 ny Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana ary lahatsoratra miisa 1 628 230 ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana.