Wikipedia amin' ny teny malagasy

Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy (malagasy: Wikipedia Raki-pahalalana malalaja) dia tetikasa iray an'ny Wikimedia Foundation. Ny kaodim-piteny ampiasainy dia "mg", ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy amin'ny ankapobeny. Ny Wikipedia amin'ny teny malagasy dia nosokafana tamin' ny taona 2004.

Tamin'ny 28 jolay 2025 dia misy lahatsoratra miisa 100 616 ny Wikipedia amin'ny teny malagasy ary misy mpikambana miisa 36 116, ahitana mpikambana mavitrika 63 sy mpandrindra 2. Izy irery ankehitriny no tetikasa Wikipedia soratana amin' ny fiteny baritô.
Ny toerana misy ny mpiteny malagasy dia aty Madagasikara amin'ny ankapobeny (manakaiky ny efapolo tapitrisa). Na dia izany aza raha oharina amin'ny fiteny hafa izay manana teny teratany ho fiteny ôfisialy, vitsy ny mpitsidika avy eto Madagasikara mitsidika ny Wikipedia amin'ny fiteny malagasy[1], ary vitsy ny mpitsidika ny Wikipedia amin'ny teny malagasy eto Madagasikara[2].
Fiteny ampiasaina amin' ny votoatiny
[hanova | hanova ny fango]Ny fiteny tena ampiasaina amin' ny fanoratana ny lahatsoratra amin' ny teny malagasy dia ny fiteny malagasy ôfisialy. Na dia izany aza tsy ny fiteny malagasy ôfisialy ihany no azo ampiasaina eto amin' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy fa ekena avokoa ny fitenim-paritra rehetra. Araka izany ny kaodim-piteny ampiasaina ho an'ny fiteny malagasy dia "mg" fa tsy "plt", izay natao ho an'ny fiteny malagasy tenenina eo amin' ny faritra afovoan'i Madagasikara.
Fivoaran' ny isan' ny lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Tamin'ny volana Aogositra 2012, lasa Wikipedia amin' ny fiteny afrikanina lehibe indrindra ny Wikipedia amin' ny teny malagasy izay nahitana lahatsoratra 38 000 sy mpikambana 4 900. Ny Wikipedia amin' ny teny afrikanina manaraka azy dia ny Wikipedia amin' ny teny soahily sy ny Wikipedia amin' ny teny iôroba izay manana lahatsoratra niisa 30 000 sy 24 000. Telo volana sy tapany taty aoriana tamin' ny volana Desambra 2012, dia nihoatra ny 40 000 ny isan' ny lahatsoratra, izay nahatonga ny Wikipedia malagasy ho Wikipedia voalohany indrindra manana lahatsoratra efatra alina.
Tamin' ny Jolay 2020 dia efa nisy lahatsoratra 90 000 teo ho eo. Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025 (laharana faha-61 maneran-tany).
Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia izy no Wikipedia amin' ny teny afrikana laharana faha-4 raha ny habetsaky ny lahatsoratra no heverina (lahatsoratra 100 614), eo aorian' ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana (lahatsoratra 1 628 231), amin' ny teny afrikansa (lahatsoratra 125 505), amin' ny teny soahily (lahatsoratra 100 838) ary eo alohan' ny Wikipedia amin' ny teny haosa (lahatsoratra 63 489), amin' ny teny igbô (lahatsoratra 43 154), amin' ny teny iôroba (lahatsoratra 35 508).
Tamin' io daty io ihany dia izy no Wikipedia amin' ny fiteny aostrôneziana laharana faha-6 aorian' ny Wikipedia amin' ny teny seboanô (lahatsoratra 6 116 227), amin' ny teny oaray-oaray (lahatsoratra 1 266 721), amin' ny teny indôneziana (lahatsoratra 736 652), amin' ny teny maley (lahatsoratra 430 606), ary amin' ny teny minangkabao (lahatsoratra 228 478).
Daty
[hanova | hanova ny fango]- Aprily 2004 : Daty nanokafany ny Wikipedia amin' ny teny malagasy.
- Oktobra 2005 : Famaranana ny lahatsoratra faha-100.
- Aprily 2009 : 1 000 ny isan' ny lahatsoratra.
- Janoary 2010 : 2 000 ny isan' ny lahatsoratra
- 6 Mey 2011 : 10 000 ny isan' ny lahatsoratra
- Jolay 2020 dia efa nisy lahatsoratra 90 000 teo ho eo.
- Nahatratra ny isa 100 000 ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' ny 7 Jona 2025.
- 28 Jolay 2025, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 100 614.
- Androany Talata faha 10 ny volana Febroary 2026, ny Wikipedia malagasy dia manana lahatsoratra miisa 102 083.
Fahalemeny sy ny vahaolana
[hanova | hanova ny fango]Fahalemen' ny Wikpedia amin' ny teny malagasy
[hanova | hanova ny fango]Fahalemen' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy ny tsy fahampian' ny mpandray anjara mahafeno fepetra. Misy fiantraikany mivantana amin' ny halalin' ny votoatiom-pejy amin' ny ankapobeny sy amin' ny kalitao ary amin' ny lanjan' ny votoatiny izany.
Tsy fahampian' ny mpandray anjara
[hanova | hanova ny fango]Na dia eo aza ny hamaroan' ny lahatsoratra (mihoatra ny 100 000) dia tena vitsy ny mpikambana mpandray anjara mavitrika amin' ny famoronana sy amin' ny fanitarana lahatsoratra (am-polony vitsivitsy ihany ny mpandray anjara tsy tapaka sady vitsy ny mpitantana). Mametra ny famoronana, ny fikojakojana, ny famerenana mamaky ary ny fanatsarana ny lahatsoratra ity fahalemena ara-drafitra ity, ary manakana ny fisian' ny rafitra fanaraha-maso anatiny momba ny kalitaon' ny lahatsoratra.
Fiankinana tafahoatra amin'ny bot
[hanova | hanova ny fango]Novokarina amin' ny fomba mandeha hoazy amin' ny alalan' ny bot (rôbô) ny ampahany lehibe amin' ny isan' ny lahatsoratra. Na dia mampiakatra ny isan' ny lahatsoratra amin' ny ankapobeny aza izany dia mamokatra lahatsoratra betsaka izay tena fohy, izay tsy dia mitondra fahalalana firy. Manampy trotraka amin' ny fisian' ny hadisoana momba ny zava-misy resahina sy momba ny fiteny ary momba ny endriky ny lahatsoratra koa ity famoronana mandeha hoazy ity.
Tsy fitovian' ny kalitaon'ny lahatsoratra
[hanova | hanova ny fango]Vitsy kokoa ny lahatsoratra manana votoatiny lalina, na manana loharano azo itokisana, na mirafitra ho tena lahatsora-draki-pahalalana. Miverimberina ny olana momba ny fampiasana ny teny malagasy: rafi-pehezanteny tsy mazava, fandikan-teny ara-bakiteny avy amin' ny teny frantsay na avy amin' ny teny anglisy, ary ny tsy fahampian' ny fampanaraham-penitra ny voambolana, indrindra eo amin' ny sehatry ny siansa sy ny teknika.
Fandrakofana ara-dohahevitra tsy mifandanja
[hanova | hanova ny fango]Matetika ny lohahevitra mahafaobe na ankapobeny no betsaka kokoa noho ny lohahevitra momba an' i Madagasikara manokana. Vitsy ny lahatsoratra momba ny taranja fototra sasany (siansa, fitsaboana, lalàna, toekarena, teknôlôjia), ary mibahan-toerana amin' ny lohahevitra momba ny tantara sy ny kolontsaina indraindray ny fomba fiasa anaovana fitantarana sy filazàna tsotsotra.
Teritery ara-tsôsialy sy ara-teknika
[hanova | hanova ny fango]Manakana ny fidirana an-tsehatry ny mpandray anjara vaovao ny fidirana voafetra amin' ny aterineto sy ny vidin' ny fahana ary ny fahalemen' ny kolontsain' ny fanoratana mahafeno fepetra ho rakipahalalana amin' ny teny malagasy. Manampy trotraka izany ny tsy fahampian' ny loharanom-pahalalana akademika voasoratra amin' ny teny malagasy sy ny tsy fisian' ny fiaraha-miasa anaty rafitra amin' ny oniversite sy amin' ny sampam-pikarohana, ka manamafy ny sangodim-panina misy eo amin' ny fahambanin' ny fampiasana sy ny fandraisana anjara izany.
Fahalemen' ny fidirana amin' ny tontolon'ny fahalalana
[hanova | hanova ny fango]Mbola tsy ampiasaina ho fanovozan-kevitra amin' ny fampianarana sy amin' ny fikarohana ny Wikipedia amin'ny teny malagasy. Mametra ny fahalianan' ny manampahaizana (mpampianatra, mpikaroka, matihanina), izay tena ilaina amin' ny fanatsarana ny kalitaon' ny votoatiny, izany olana izany.
Vahaolana
[hanova | hanova ny fango]Ny hetsika mikendry ny hanentanana ny mpiteny teratany sy mpandray anjara mahafeno fepetra (toy ny WikiTeny[3] na Wikimedia Madagascar[4]) dia fitaovana manan-danja, saingy voafetra ihany ny fiantraikan' izy ireo raha tsy misy ny fandraisana anjara mivelatra kokoa avy amin' ny tontolon' ny fanabeazana sy ny tontolo akademika.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Sehatra ofisialy
- Statistika Archived Martsa 11, 2013 at the Wayback Machine
Loharano
[hanova | hanova ny fango]
|