Wikipedia amin' ny teny iôroba
Fiseho

Ny Wikipedia amin' ny teny iôroba (iôroba: Wikipẹ́díà l'édè Yorùbá) dia Wikipedia amin' ny fiteny ampiasaina any Nizerià sy any Benino: ny fiteny iôroba, izay fiteny ao amin' ny fianakaviam-piteny iôrobôida. Mety natomboka tamin' ny Oktobra 2002 izy io, nefa azo inoana kokoa fa tamin' ny Marsa 2004. Ny famantarany dia: yo. Tamin' ny 28 Jolay 2025, ity Wikpedia ity dia nisy lahatsoratra 35 508 ary misy mpandray anjara 31 522, ahitana mpandray anjara mavitrika 65 ary mpitantana 4.
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]- Tamin' ny Febroary 2009 dia nisy lahatsoratra 6 200 teo ho eo ny Wikipedia amin' ny teny iôroba ary 1 200 ny mpampiasa voasoratra anarana.
- Tamin' ny Avrily 2011 dia nisy lahatsoratra 12 700 teo ho eo ary 5↓200 ny mpampiasa voasoratra anarana.
- Tamin' ny 7 Novambra 2022 dia misy lahatsoratra 31 888 ary nisy mpandray anjara 25 399 sy mpandray anjara mavitrika 62 ary mpitantana 3.
- Tamin' ny 12 Septambra 2024 dia nisy lahatsoratra 34 288, mpandray anjara 29 607, mpandray anjara mavitrika 97 ary mpitantana 4.
- Tamin' ny 28 Jolay dia nisy lahatsoratra 35 508 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).