Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia amin' ny teny hebreo

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana ny Wikipedia amin' ny teny hebreo (he.wikipedia.org)

Ny Wikipedia amin' ny teny hebreo (hebreo: ויקיפדיה: האנציקלופדיה החופשית / Wikipedia: ha-Encyclopedia ha-ḥofshit) dia Wikipedia amin' ny fiteny semitika ampiasaina any Israely: ny fiteny hebreo. Natomboka tamin' ny 11 May 2001 na Jolay 2003 izy io. Ny kaody dia: he.

Tamin’ ny 28 Jolay 2025, ny Wikipedia amin' ny teny hebreo dia nisy lahatsoratra 379 834 ary misy mpandray anjara 1 218 681, anisan’ izany ny mpandray anjara mavitrika 8 470 sy ny mpitantana 27.

Tantara sy antontanisa

[hanova | hanova ny fango]
  • Tamin' ny 8 Jolay 2003 no natomboka tokoa ny fanoratana tao amin' ny Wikipedia amin' ny teny hebreo. Tamin' ny 25 Oktobra 2003 no voasoratra ny lahatsoratra faha-1000.
  • Tamin' ny 29 Mey 2005 dia vita ny lahatsoratra faha-20 000. Tamin' ny 10 Janoary 2010 dia voasoratra ny lahatsoratra faha-100 000. Tamin' ny 28 Desambra 2016 dia voasoratra ny lahatsoratra faha-200 000.
  • Tamin' ny 4 Oktobra 2022 dia nisy lahatsoratra 323 327 ary manana mpandray anjara 1 011 490, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 2 901 sy mpitantana 32.
  • Tamin' ny 11 Aogositra 2024 dia nisy lahatsoratra 359 701 ary manana mpandray anjara 1 173 101, ahitana mpandray anjara mavitrika 3 250 ary mpitantana 27.
  • Tamin’ ny 28 Jolay 2025, ny Wikipedia amin' ny teny hebreo dia nisy lahatsoratra 379 834 ary misy mpandray anjara 1 218 681, anisan’ izany ny mpandray anjara mavitrika 8 470 sy ny mpitantana 27.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]