Wikipedia amin' ny teny haosa

Ny Wikipedia amin' ny teny haosa dia fanontana amin' ny teny haosa ny Wikipedia. Amin' ny teny haosa ity rakipahalalana ity dia atao hoe Wikipedia a harshen Hausa. Anisan' ny sampam-piteny tsadika ampiasaina any Nizerià sy any Nizera ny fiteny haosa. Tamin' ny Jona 2002 no natomboka tamin' ny fomba ôfisialy ny fanontana ity Wikipedia ity, saingy tamin' ny Janoary 2005 no nosoratana ny lahatsoratra voalohany. Tamin' ny 12 Janoary 2026 dia nanana lahatsoratra miisa 86 532 ny Wikipedia amin' ny teny haosa ary nisy mpandray anjara miisa 40 840, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 260 sy ny mpitantana 15. Io no hany fanontana ny Wikipedia amin' ny fiteny tsadika, sy laharana faha-4 amin' ny Wikipedia amin' ny fiteny afrô-aziatika, ary laharana faha-4 amin' ny Wikipedia amin' ny fiteny afrikanina. Tamin' ny 12 Janoary 2026 izy io dia tao aorian' ny Wikipedia amin' ny teny malagasy (lahatsoratra 101 818) sy ny Wikipedia amin' ny teny soahily (lahatsoratra 104 157) ary nialoha ny Wikipedia amin' ny teny iôroba (lahatsoratra 36 436) sy ny Wikipedia amin' ny teny amharika (lahatsoratra 15 511).
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]Tamin' ny Oktobra 2021, ny Wikipedia amin' ny teny haosa dia nanana lahatsoratra 12 424 sy mpampiasa voasoratra anarana 15 010, ka izany no fanontana Wikipedia amin' ny teny faha-145 raha ny isan' ny lahatsoratra no heverina ary faha-183 raha ny isan' ny mpampiasa voasoratra anarana no heverina, ao amin' ny Wikipedia samihafa misa 303. Tamin' ny 4 Oktobra 2022, ny Wikipedia amin' ny teny haosa dia nisy lahatsoratra 18 933 ary nisy mpandray anjara 19 078, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 146 sy mpitantana 5. Tamin' ny 29 Septambra 2024, io Wikipedia io diai nisy lahatsoratra 50 338 ary nisy mpandray anjara 31 235, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 214 sy mpitantana 9.
Rohy ivelany
[hanova | hanova ny fango]- Tranonkala ôfisialy: https://ha.wikipedia.org