Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana
Fiseho

Ny Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana (arabo marôkana: ويكيپيديا ب الداريجة [Wīkīpīdyā b dārījā]) dia Wikipedia amin' ny fiteny semitika ampiasaina ao Marôka. Tamin' ny 20 jolay 2020 no nanombohany. Ny kaodiny dia: ary.
Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra miisa 10 676 ny Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana ary nanana mpandray anjara 16 782, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 52 sy ny mpitantana 4. Io no Wikipedia fahatelo amin' ny fiteny arabom-paritra noforonina taorian' ny Wikipedia amin' ny teny maltey (lahatsoratra 7 457 tamin' ny 28 Jolay 2025) sy ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana (lahatsoratra 1 628 230 tamin' ny 28 Jolay 2025).
Antontanisa
[hanova | hanova ny fango]- Tamin' ny 20 Septambra 2022 dia nisy lahatsoratra 5.814 Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana ary manana mpandray anjara 6 639, ahitana mpandray anjara mavitrika 34 sy mpitantana 3.
- Tamin' ny 5 Oktobra 2024 dia nisy lahatsoratra 10 296 ary manana mpandray anjara 14 110, izay nisy mpandray anjara mavitrika 38 sy mpitantana 5.
- Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra miisa 10 676 ny Wikipedia amin' ny teny arabo marôkana (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).