Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia amin' ny teny afrikansa

Avy amin'i Wikipedia
Sary famantarana ny Wikipedia amin' ny teny afrikansa

Ny Wikipedia amin' ny teny afrikansa (afrikansa: Wikipedia Afrikaanse) dia Wikipedia amin' ny fiteny ampiasaina indrindra ao Afrika Atsimo sy ao Namibia: ny fiteny afrikansa, izay fiteny jermanô-neerlandey. Natomboka tamin' ny 16 Novambra 2001 izy io. Ny kaody dia: af.

Tamin' ny 28 Jolay 2025 ny Wikipedia amin' ny teny afrikansa dia nisy lahatsoratra 125 502 ary misy mpandray anjara 190 516, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 190 ary mpitantana 14.

Antontanisa

[hanova | hanova ny fango]
  • Tamin' ny taona 2007 dia io no Wikipedia faharoa lehibe indrindra amin' ny fiteny afrikana "tsy nentinin' ny fanjanahantany", taorian' ny Wikipedia amin' ny teny soahily ary talohan' ny Wikipedia amin' ny teny zolo.
  • Tamin' ny Jona 2021 dia nanana lahatsoratra 98 000 teo ho eo izy io, ka izy no Wikipedia faha-71 lehibe indrindra tamin' izany fotoana izany, ary Wikipedia amin' ny fiteny afrikana faharoa lehibe indrindra, aorian' ny Wikipedia amin' ny teny arabo ejiptiana.
  • Tamin' ny 20 Septambra 2022 dia nisy lahatsoratra 104 741 ary manana mpandray anjara 153 537, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 161 ary mpitantana 16.
  • Tamin' ny 2 Oktobra 2023 dia nisy lahatsoratra 111 551 ary manana mpandray anjara 167 394, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 204 sy mpitantana 13.
  • Tamin' ny 19 Aogositra 2024 dia misy lahatsoratra 118 119 ary manana mpandray anjara 179 291, anisan' izany ny mpandray anjara mavitrika 192 sy mpitantana 14.
  • Tamin' ny 28 Jolay 2025 dia nisy lahatsoratra 125 502 (ny Wikipedia amin' ny teny malagasy tamin' io daty io dia nisy lahatsoratra 100 607).

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]