Wikipedia:Vaovao/2026/Mey 2026
Fiseho
< Wikipedia:Vaovao | 2026
- 7 mey 2026 :
- Rehefa tratran'ny sovoka nataon'ny ShinyHunters tamin'ny fiandohan'ny volana tao amin'ny rafi-pitantanana fianarana (learning management system), dia mbola niverenany nosovohina indray tamin'ny 6-7 mey ny Instructure mitantana ny Canvas. Sekoly sy Anjerimanontolo 9000 manerantany no miankina amin'ny sehatra Canvas.
- 6 mey 2026 :
- Nodimandry teo amin'ny faha-87 taonany i Ted Turner, tompona fampitam-baovao sady mpanao fanampiana ara-kolontsaina.
- 5 mey 2026 :
- Voaongan' ny fitsipaham-pitokisana ny governemantan'i Bolojan ao Romania.
- 4 mey 2026 :
- Nisy fipoahana tao amin'ny orinasa iray mpanao afomanga tao Liuyang, Hunan, Shina, ka nahafaty olona 26 sy naharatra 61 hafa.
- Resin'i Wu Yize tamin'ny famaranana i Shaun Murphy ka dia izy no Tompondaka Manerantany amin'ny Snooker.
- Mitsahatra tsy nohavaozina intsony ny wikinews, izay tetikasa iray tampo amin'ny wikipedia ihany.
* Mey 2026 * Avrily 2026 * Marsa 2026 * Tahiry 2026 * Teo aloha