Wikipedia:Vaovao/2026/Marsa 2026
- Avrily 2026
- 31 marsa 2026 - Hotendren'ny Filoha Michael Randrianirina ho Masoivohon'i Madagasikara ao Paris, Frantsa Atoa Michel Rabemahefa.[1]
Fifanekem-piarahamiasa Madagasikara sy Rwanda amin'ny resaka EBM
[hanova ny fango]Vita omaly 30 marsa 2026 tany Kigali renivohitr'i Rwanda, navoaka ao amin'ny pejy Facebook an'ny Direction Générale des Impôts sy ny tranonkalany[2] koa, ny fifanekem-piaraha-miasa (protocole d'accord - Memorandum of Understanding) eo amin'ny Rwanda sy Madagasikara amin'ny hanatanterahina ny famoaham-paktiora elektronika eto Madagasikara na "Electronic Billing Machine (EBM)". Nanao sonia izany amin'ny anaran'i Madagasikara ny Tale Jeneralin'ny DGI Atoa Edmond Rafaralahy ary nisolo tena amin'ny anaran'i Rwanda kosa ny Kômisera Jeneralin'ny RRA (Rwanda Revenue Anthority) Atoa Ronald Niwenshuti ary samy nanatrika teo ihany koa ny delegasiona roa tonta.
Tohiny...[3]
Football: Madagasikara 5-2 Kirghistan
[hanova ny fango]Araka ny fanambaràna navoakan'ny Federasiona Malagasy ny Football tao amin'ny pejy Facebook dia nomontsanin'ny Ekipam-pirenena malagasy (Barea) 05 - 02 ny ekipam-pirenen'i Kirghistan nandritra ny lalao ara-pirahalahiana notontosaina tany Torkia. Notantarain'i Merveille Welo tao amin'ny Africa Top Sports[4] nivoaka tamin'ny 28 marsa 2026 tamin'ny 15:57 aza fa efa nitarika ny Barea tamin'ny isa 04 -01 tamin'ny fidirana voalohany ka tsy maintsy mitady izay fomba tsy haha-afa-baraka azy ny mpifanandrina mandritra ny tapa-potoana faharoa.
Fiaraha-miasa Fanjakana Mitambatra (UK) - Madagasikara
[hanova ny fango]
Namoaka filazana tao amin'ny tranonkalany[5] ofisialy ny Fanjakana Britanika tamin'ny 26 marsa 2026 lasa teo fa manomboka izao ny teratany malagasy mangataka Visa ho any amin'io Firenena Mitambatra io dia amin'ny alalan'ny eVisa ihany no hanaovana izany fa tsy amin'ny fomba hafa mba hahamora sy mahomby kokoa ny dia. Vaovao mahafinaritra ho antsika avy aty Madagasikara izany.
Governemanta Rajaonarison
[hanova ny fango]Efa misy ny takelaka manokana Governemanta Rajaonarison raha mitady izany ianao. Tsindrio io sora-matevina io.
Ireo mpikambana mandrafitra ny governemanta RAJAONARISON Mamitiana Jeannot Ruffin
[hanova ny fango]Notendrena ary naseho vahoaka tamin'ny alalan'ny haino aman-jery an'ny fanjakana sy tsy miankina mbamin'ny media sosialy tetsy amin'ny Lapam-panjakana Iavoloha androany alarobia 25 marsa 2026 alina teo ireo mpikambana ao amin'ny governemanta vaovao tarihin'ny Praiminisitra RAJAONARISON Mamitiana. Ireto avy izy ireo :
- Minisitry ny Foloalindahy : Jeneraly RAZAFITOMBO Maminirina Ely
- Minisitry ny Raharaham-bahiny : Dr N'DIAYE Alice
- Minisitry ny Fitsarana, mpitahiry ny tombokasem-panjakana : ERNAIVO Fanirisoa
- Minisitry ny Atitany sy fanapariaham-pahefana: RAKOTONANDRASANA Hanitra Velonjara Tiaray
- Minisitry ny Toekarena sy Fitantanam-bola : RAMIARISON Herinjatovo Aimé
- Minisitry ny Filaminam-bahoaka : IGP ERICK MICHEL WOULI IDRISSA
- Minisitry ny Fanavaozana : RAZAFIMANANTSOA Lobo Hanitriniaina
- Minisitry ny Fanajariana ny tany : GD LYLISON René de Rolland
- Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka : Dr MANAGNA Monira
- Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny fikarohana siantifika: Pr RAVONIMANANTSOA Ndaohialy Manda-Vy
- Minisitry ny Fanabeazam-pirenena : RAJAONARISON Sendra Nirina
- Minisitry ny Fampianarana ara-teknika sy fanofanana arak’asa : ANDRIAMAMPANDRY Todisoa Manampy
- Minisitry ny Fambolena sy Fahavitan-tena ara-tsakafo : RAMINDO Gaëtan
- Minisitry ny Fiompiana : RANDRIANOMENJANAHARY Riana Nantenaina
- Minisitry ny Indostria sy fampivelarana sy sehatra tsy miankina : RAHARIMANJATO Ny Riana Nampoina
- Minisitry ny Varotra sy Fanjifana : ANDRIAMADISON Michela Haingotiana Angèle
- Minisitry ny Asa sy Fampanan’asa ary ny asam-panjakana : DENIS FRANCONIO MAC
- Minisitry ny Fitaterana sy Famantarana ny toetrandro : ANDRIANAVALONA RAMANAMBOLA Herizo
- Minisitry ny Angovo sy Akoran'afo: RABEARIMANGA Radonirina Lucas
- Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany sy Loharanon-karena stratejika : ANDRIAMPARANY Carl de Mon Espoir
- Minisitry ny Asa vaventy : RAFEFIMANANA Sambilason Richard
- Minisitry ny Jono sy Toekarena manga : Pr MAHARAVO Jean
- Minisitry ny Tontolo iainana sy ny Fampandrosoana lovain-jafy : ANDRIATSIHALA Nolave Luck Aristide
- Minisitry ny Fizahantany sy Asa tanana : VOLOLONIAINA Lucie
- Minisitry ny Rano, ny fanadiovana ary ny fidiovana : RAZAFINDRIANIAINA Minosoa Anjaratiana Elia
- Minisitry ny Haitao ara-kajy Mirindra, Paositra sy fifandraisandavitra : ANDRIAMAMPIADANA Mahefa
- Minisitry ny Mponina sy Firaisankina : RAKOTONIAINA Voahanginiriana Cathia
- Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena : RASAMBANY Alain Desiré
- Minisitry ny Serasera sy Kolontsaina : MANDRINDRARIVONY O’Gascar Fenosoa
- Minisitry delege misahana ny Zandarimaria : GCA BAMA MARIMA
Iraka delegasiona Vaomiera Vondrona Afrikana
[hanova ny fango]Namita iraka teto Madagasikara ny delegasiona avy amin'ny Vaomieran'ny Vondrona Afrikana[1] notarihan'ny filohany ny S.E. Mahmoud Ali Youssouf ny 16 ka hatramin'ny 21 marsa 2026 lasa teo. Anto-dian-dry zareo ny hijery sy hanombana ny fahavoazana nateraky ny fandalovan'ny rivodoza Gezani tamin'ny 10 febroary 2026 lasa teo.
Voatomban'ny delegasiona ary fa 478.000 ny isan'ny tra-boina tamin'ny ilany atsinanana sy afovoan'i Madagasikara, mihoatra ny 20.800 ny isan'ny olona voatery nafindra toerana, mihoatra ny 800 ny isan'ny naratra ary 59 ny isan'ny maty tamin'izany. Ho fanehoam-piraisankinan'ny Vondrona Afrikana dia nanamora ny fitsinjarana sakafo sy zavatra mitentina 20.000 dôlara US ny delegasiona ary nofenoin'ny Vatsy Fanampiana maha-olona 200.000 dôlara US izany.
Maorisy: Sahirantsaina amin'ny lazany manoloana ny raharaha Ravatomanga
[hanova ny fango]
Araka ny vaovao navoakan'ny Billionaires Africa tamin'ny alahady 22 marsa 2026 lasa teo dia manahiran-tsaina ny mpitondra ao Maorisy ity raharaha Ravatomanga ity. Fitsapana mafy ho an'ny mpitondra izany satria manakaiky ny fanomezana naoty sy fampilaharana ny isam-pirenena amin'ny ady ataony amin'ny famotsiam-bola sy ny ady amin'ny famatsiana ny fampihorohoroana mbamin'ny fampielezana fitaovam-piadiana mahery vaika na ny 2027 FATF (GAFI 2027).
Raha sanatria manko midina ny naotiny noho io raharaha io dia mety hitarika ho amin'ny fahaverezan'ny fitokisan'ny mpampiasa vola izany ka hisy fiantraikany avy hatrany amin'ny toekaren'ity nosy ity. Heverina noho izany fa tsy hanamaivamaivana velively ity raharaha ity ny ao Maorisy fa hitandrina mafy amin'ny zavatra rehetra tokony ataony. Tamin'ny taona 2012 ny FATF/GAFI no namoaka fandrisihana voalohany ireo karazana fenitra arahin'ny isam-pirenena ahafahana miady amin'ny voina ataon'olombelona efa voalaza etsy ambony.
Madagasikara : Milina mpamantatra lainga no manao fitsapana ireo te-ho minisitra
[hanova ny fango]
Nanambara ny Filohan'ny Fanavaozana an'i Madagasikara Randrianirina Michael tamin'ny alakamisy 19 marsa 2026 lasa teo fa hosedraina amin'ny milina mpamantatra lainga avokoa izay rehetra te-ho minisitra handrafitra ny governemanta Rajaonarison. Nambarany tamin'ny mpanao gazety fa avy amin'izany no ahafantarana[6] izay mpanao kolikoly ary avy amin'izany ihany koa no ahitana izay afaka manampy azy ireo. Samy mitovy ny nambaran'ireo fampitam-baovao miteny anglisy[7] fa tsy hoe olona madio 100% no hokarohina fa rehefa mahatratra ny 60% ny fahadiovany dia afaka amin'ny fitsapana voalohany izy.
Voalaza manko fa vao nahazo io milina mpamantatra lainga io (polygraphe) io isika ary misy manampahaizana manokana mikirakira azy ihany koa vonona hanao izany. Afaka amin'io dingana voalohany io ireo te-ho minisitra vao manao dinika amin'ny Filoha sy ny Praiminisitra. Efa andrasana fatratra moa amin'izao fotoana izao ny fivoahan'ny lisitra ahitana ireo mpikambana ao amin'ny governemanta vaovao.
Loharano
[hanova ny fango]- ↑ https://www-africaintelligence-fr.wikipedialibrary.idm.oclc.org/afrique-australe-et-iles/2026/03/31/qui-sera-le-nouvel-ambassadeur-d-antananarivo-a-paris,110691441-art
- ↑ https://www.impots.mg/actualite/84?fbclid=IwY2xjawQ4qOJleHRuA2FlbQIxMABicmlkETFBeTRJeTdRRGY0N2hqbFdvc3J0YwZhcHBfaWQQMjIyMDM5MTc4ODIwMDg5MgABHnWj3dRiHgTTv6X_M7dePf7EptQNwD7nctV7Yk5g5Dg0uQfvZeuWFsFVmOa0_aem_3FySQbmNH21d4ptudmiJvQ
- ↑ https://incubator.wikimedia.org/wiki/Wn/mg/2026/03/31/Fifanekem-piarahamiasa_Madagasikara_sy_Rwanda_amin%27ny_famoaham-paktiora_elektr%C3%B4nika
- ↑ https://www.africatopsports.com/2026/03/28/amical-madagascar-humilie-le-kirghizistan-en-une-mi-temps/
- ↑ https://www.gov.uk/world/madagascar/news
- ↑ https://apnews.com/article/madagascar-lie-detector-tests-coup-politics-ac27f0fac3c812b56e6e233aaa173e0e
- ↑ https://www.africanews.com/amp/2026/03/20/madagascars-president-orders-polygraph-for-aspiring-ministers/