Wikipedia:Takelaka/6 2017

Avy amin'i Wikipedia

Ny vazimba dia anarana niantsoana ireo mponina nonina taty anivon'i madagasikara ( taty Imerina sy Betsileo, bara, anjozorobe) talohan'ny nanjakan'i Rabiby sy Andriamanelo (taonjato faha-16 ap JC). Rabiby, mpanjaka arabo, sy Andriamanelo, mpanjaka maley mantsy no navahan'ny lovantsofina fa arabo sy maley ary ireo olomainty mpanompony no angaralahy,fa ireo sisa efa nonina taty anivontany tamin'izany dia vazimba. Ary i Rabiby no nanenjika voalohany ny vazimba sy nanosika azy handositra.

Araka ny tantara,ireo mpitondra fanjakana maley sy arabo tonga taty anivon'i Madagasikara ( taty Imerina sy Ibetsileo) nanomboka ny taonjato faha-15 no nampiasa voalohany ny teny hoe " vazimba" mba hiantsoany ireo mponina efa tompontany taty anivon'ny riaka tamin'ny fahatongavany teto. Ohatra amin'izany, i Andriamanelo dia voalazan'ny lovantsofina fa maley, anefa i Rangita sy Rafohy izay renibeny dia voalazan'ny lovantsofina fa vazimba. Toy izany koa, i Rabiby arabo raha nandao an'Ambohitsitakatra Anjozorobe, dia tonga teo Ankotrokotroka ( tato aoriana lasa Ambohidrabiby), ka nandroaka ireo mponina teo izay vazimba no nahafantarany azy .

Arak'izany, ny vazimba dia tsy teny hiantsoana firazanan'olona na fanahin'ny maty akory (araka ny filazan'ny sasany hoe rehefa maty ny olona sasany dia lasa vazimba) fa anarana iantsoan'ireo mpanjaka arabo sy maley ireo tompontany taty anivon'ny nosy raha tonga taty anivontany ireo arabo sy maley ireo tamin'ny taonjato faha-16 tao aorian'ny jesosy kristy.

Manaporofo fa tena olona tokoa ireny vazimba ireny dia i Rapeto sy Rasoalao dia vazimba.Ary indrindra, ireo antehiroka dia vazimba avokoa.

Arak'izany, ny teny hoe " vazimba" dia saika nampiasaina manerana ny faritra anivon'ny madagasikara ary amin'ny sisintany andrefan'ny madagasikara satria ireo maley sy arabo sendra azy ireo dia saika nampiasa io anarana io avokoa hiantsoana ireo mponina efa teo izay sendra azy. (tohiny...)