Wikipedia:Takelaka/2 2012

Avy amin'i Wikipedia

Ralambo (1575-1610), no namorona ny teny hoe Imerina-Ambaniandro teo Ambohidrabiby, izay renivohim-panjakany.

Roa amby roapolo km miala an'Antananarivo amin'ny làlana mankany Anjozorobe no misy an'Ambohidrabiby, vohitra miorina eo antampon-tendrombohitra efa hatramin'ny taonjato faha-16.

Teo Ambohidrabiby no namorona sy nametraka soatoavina maro i Ralambo sy ny Andriandoriamanjaka, mpanolotsainy, koa isan'izany ny anarana hoe " IMERINA-AMBANIANDRO".

Raha sendra nitaninandro teo ambony vato eo ambony atsimo ivelankady amin'ny vohitr'Ambohidrabiby hono i Ralambo ka nanao fanorona tamin'Andriandoriamanjaka iray mpanolotsainy dia nangingina tsy nahitanteny be ihany izy. (tohiny...)