Wikipedia:Takelaka/10 2016

Avy amin'i Wikipedia

I Finlandy dia firenena any Eoropa Avaratra ao amin'ny Vondrona Eoropeana hatry ny taona 1995.

Ny Finlandy dia manana amorontsiraka eo amin'ny ranomasina Baltika, indrindra eo amin'n gôlfan'i Bôtnia ary ny gôlfan'i Finlandy any atsimo. Ny tany misy an'i Finlandy dia any ivelan'ny tanjona Skandinava, any avaratra andrefan'i Rosia ary any atsinanan'i Soeda ; ny faritra avaratr'i Finlandy dia any avaratry ny Faribolan-tendrontany Arktika.

Io toerana io dia tratra ny hatsiaka ary ngazana an-tapany mandritry ny andro ririnina, ny 5,3 tapitrisa mponina isain'ny demôgrafiam-pirenena dia manao an'i Finlandy firenena anisan'ny firenena kely hakitroky ny mponina indrindra eto an-tany. Ny ankabeazan'ny olona mipetraka any Finlandy dia mipetraka any atsimony, misy ny renivohitra Helsinki, sy ny tanàna lehibe, toy Espoo sy Vantaa, ao amin'ny Faritanin-drenivohitra. Ny finlandey dia manana teny ofisialy roa, ny teny finoa ary ny teny soedoa, ary ao anatin'ireo teny ireo, Suomi sy Finland ny anaram-pirenena.

Nandritry ny ela, ny Finlandy dia entin'ny Fanjakan'i Soeda mifanila aminy, namorona ny renivohitra voalohany, Turky, ny Finlandy dia mbola voamariky ny ady nampifanohitra azy tamin'i Rosia, tanjaka imperialista nampalasa azy diose rosy mizaka tena tamin'ny 1809 ; tamin'ny taonjato faha roapolo ny Finlandy vao nahazo fahaleovantena tamin'i Rosia tao aorian'ny ady an-trano tamin'ny 1917. (tohiny...)