Wikipedia:Takelaka/*/Imerina-Ambaniandro

Avy amin'i Wikipedia

Ralambo (1575-1610), no namorona ny teny hoe Imerina-Ambaniandro teo Ambohidrabiby, izay renivohim-panjakany. Roa amby roapolo km miala an'Antananarivo amin'ny làlana mankany Anjozorobe no misy an'Ambohidrabiby, vohitra miorina eo antampon-tendrombohitra efa hatramin'ny taonjato faha-16. Teo Ambohidrabiby no namorona sy nametraka soatoavina maro i Ralambo sy ny Andriandoriamanjaka, mpanolotsainy, koa isan'izany ny anarana hoe " IMERINA-AMBANIANDRO". Raha sendra nitaninandro teo ambony vato eo ambony atsimo ivelankady amin'ny vohitr'Ambohidrabiby hono i Ralambo ka nanao fanorona tamin'Andriandoriamanjaka iray mpanolotsainy dia nangingina tsy nahitanteny be ihany izy. Dia nihevitra ilay Andriandoriamanjaka sao efa ho resy ampanorona no mampangingina an-i Ralambo ka somary natsafainy sao mafanafana ny Andriana fa nanevika ny masoandro na dia efa mody hariva ihany. Fetsy anefa hono i Ralambo ka nolazainy fa ny mijery ny fidadasiky ny fanjakany no mampanerinerina azy.Avo rahateo moa ilay toerana nitaniany andro ka tapaka teo ny heviny fa " Imerina ( izany hoe mampanerinerina)" no ataony anaran'ny faritry ny fanjakany ary ny vahoakany tsy ankanavaka, na andriana na hova na andevo dia antsoiny hoe " ambaniandro" fa izy Ralambo ihany no " amboniandro". Dia izany no niatombohan'ny fitenenana hoe " Imerina-Ambaniandro" fa talohan'izany dia "Ankova" no anaran'ny faritra ary " hova" no anaran'ny mponina nonina taty anivon'ny riaka. Tato aorina ary, nohon'ny fitenenana mahavantana kokoa dia io "Imerina" io no niteraka ny anarana hoe " Merina" " izay nentina niantsoana koa ny " ambaniandro". Nefa ireo foko hafa indrindra ny any anindrana dia mbola nampiasa hatrany ny teny hoe "Ankova" hiantsoany an'Imerina, ary " amboalambo" no niantsoan'ireo foko ireo ny mponina taty Imerina satria tsy laitrany i Ralambo izay naharesy ny sihanaka sy bezanozano sy sakalava ka nataony izany " amboalambo " izany ho toy ny fanozonana an'i Ralambo sy ny vahoakany. Arak'izany, teo Ambohidrabiby no nipoiran'Imerina sy ivon'Imerina voalohany ary toerana nipoiran'ny fanjakan'andriana amin'ny endrika maha-merina azy.