Hankany amin'ny vontoatiny

Wikipedia:Fanontaniana Apetraka Matetika

Avy amin'i Wikipedia

Ny fanontaniana apetraka matetika eto amin'ny wikipedia :

Ahoana no manova ny pejy ?

Ny ankabeazan'ny pejy dia azo ovain'iza na iza avy hatrany ; ilaina tsindriana fotsiny ny rohy « ovay » misoratra etsy ambony. Rehefa avy notsindrianao ilay rohy, dia manana fampidirana teny ianao eo ambany, eo ianao manova ny lahatsoratra izay tianao ovaina. Afatsy ny teny, misy koa kaody tenenina tenenina hoe rariteny wiki na « syntaxe wiki » amin'ny teny frantsay na koa hoe « wikisyntax » amin'ny teny anglisy. Rehefa vita ny fanovana tianao natao, dia tsindrio ny bokotra « tehirizo ».

Ahoana no mamorona pejy ?

Ny rohy mena dia manono pejy mbola tsy misy ary tokony hoforonina. Fa raha te-hamorona pejy vaovao tsy mila mandalo amin'ny rohy mena ianao, dia soraty eo amin'ny fikarohana eo ny teny na ny anaran-dahatsoratra tianao foronina. Tsindrio ny bokotra « tsidiho » ary raha tsy misy ny anadan-dahatsoratra nampidirinao, dia jereo any ambany, eo amin' ilay misy hoe « Hanamboatra ny pejy « abdefghijklmnoprstvyz » eto amin'ity wiki ity ! ». Rehefa avy nanindry an'io ianao tokony mahita 'varavarankely' azo ampidirana teny ; eo ianao no mamorona ny lahatsoratrao ; Rehefa vita ny fanovana tianao natao, dia tsindrio ny bokotra « tehirizo ».