Hankany amin'ny vontoatiny

Vovo-tany

Avy amin'i Wikipedia
Tadio mitondra vovo-tany, any Aostralia

Ny vovo-tany na vovoka dia fitambaram-poti-javatra bitika sady maivana ka mora mitsingevana ao amin' ny rivotra, izay matetika manana habe latsaky ny 1 000 μm. Ny vovo-tany dia mety hiteraka olana lehibe amin' ny fahasalaman' ny olombelona sy ​​​​ny biby ary ny zavamaniry, ary koa amin' ny fampandehanana milina. Azo esorina ny vovoka amin' ny rivotra anaty toeram-ponenana na toeram-piesana amin' ny alalan' ny fitaovam-pitrohana sy fitaovam-pisivanana isan-karazany.

Toetoetry ny vovoka

[hanova | hanova ny fango]

Foronin' ny tsiraka avy amin' ny zavamaniry na biby, ny vovobony, ny silisy, ny bakteria ary ny bobongolo ny vovoka. Any amin' ny tanàn-dehibe, ny vovo-tany eny amin’ ny rivotra dia misy setroka sy poti-tara be dia be koa. Ao amin' ny tanàn-dehibe misy taozavabaventy, ny rivotra dia mety mitahiry poti-javatra bitika maherin' ny 3 tapitrisa isaky ny sm3. Ny haben' ny poti-javatra bitika ao amin’ ny vovoka dia miovaova eo amin' ny 0,5 ka hatramin' ny mikrôna maromaro. Mitsingevana ela eny amin' ny rivotra ireo poti-javatra ireo ary azon’ ny rivotra entina lavitra dia lavitra.

Afaka manaparitaka ny hazavana fohy halavan' onja ny vovo-tany ka misy fiantraikany amin' ny lokon' ny lanitra izany, ary afaka miova ho vongana madinika maro izay manamora ny fiovan' ny eton-drano ho lasa ando. Ny zavona sy ny setroka ary ny rahona dia tsy afaka miseho raha tsy misy ny tsindry avy amin' ny poti-javatra bitika ao amin' ny vovoka eny amin' ny rivotra.

Fiantraikan' ny vovoka

[hanova | hanova ny fango]

Olana goavana miseho amin' ny alalan' ny fahalotoan' ny rivotra ny habetsahan' ny vovoka anaty rivotra eny an-tanàn-dehibe. Any amin' ny orinasa mpanamboarana koba sy siramamy ary any amin' ny toeram-pitrandrahana arintany, ny fivangongoan' ny poti-javatra mora mirehitra dia mety hiteraka fipoahana. Mety hanimba ny fahasalamana ihany koa izy ireo rehefa voafoka, ka miteraka aretina toy ny silikôzy.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]