Vorondreo

Ny vorondreo na kirombo na treotreo dia karazam-borona ao amin' ny vondron-karazana Leptosomus sy ao amin' ny fianakaviana Leptosomidae ary ao amin' ny filaharana Leptosomiformes. Leptosomus discolor ny anarany ara-tsiansa ary izyno solon-tena tokana ao amin' io filaharana io. Tsy hita afa-tsy eto Madagasikara sy ao amin' ny vondro-nosy Kômôro izy io.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Toy izao ny famaritan' ny Rakibolana malagasy io karazam-borona io:
"Vorona salasalany, hafahafa bika, manopy maitso ny volony, izay lasa maitso antitra ea amin' ny volombodiny ary maitso misy tarany mena amin' ny elany; mitaraindraina toa mampalahelo ny feon' ny vorondreo ka heverin' ny maro ho fambara loza ny fandrenesana azy"[1].
Ny vorondreo dia miavaka amin' ny lohany lehibe, saika tsy mifandanja amin' ny sisa amin' ny vatany, ny vavany lehibe sy fohy, ary ny elany lava sady somary boribory tendro. Somary lava ny rambony ary fohy dia fohy ny tongony.

Tsy mitovy bika ny lahy sy ny vavy. Ao amin' ny lahy dia volondavenona mainty ny lamosina sy ny elatra miaraka amin' ny loko maitso metaly mamirapiratra sy volomparasy manopy mena; volondavenona ny ny ambany sy ny lohany ary ny tendany, mifanohitra amin' ny satrony sy ny lamosina mainty.

Amin' ny ny vavy efa lehibe sy ny zanany dia manja antitra ny manana tapany ambony, misy sakana mainty sy menapina ny eo amin' ny satrony; menapina hatsatra ny ao ambaniny sady misy pentipentina mainty; volondavenona-ôliva ny eo ambonin' ny rambony; misy sakana menapina, izay hita indrindra amin' ny fisidinany, ny sisin' ny elatra.
Faritra ahitana azy sy zana-karazana
[hanova | hanova ny fango]Ity karazam-borona ity dia matetika hita any amin' ny ala trôpikaly sy sobtrôpikaly ary amin' ny toeram-ponenana faharoa eto Madagasikara sy ao amin' ny vondro-nosy Kômôro.
Zana-karazana telo no voafaritra:
- ny Leptosomus discolor discolor izay hita eto Madagasikara sy ao amin' ny nosy Mayotte;
- ny Leptosomus discolor intermedius ao Nzwani;
- ary ny Leptosomus discolor gracilis ao Ngazidja.
Noho ny hakeliny sy ny tsy fitovizan' ny volony ary ny fahasamihafan' ny feony, ny farany amin' izy ireo indraindray dia heverina ho karazana misaraka (Leptosomus gracilis).
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]Loharano sy fanamarihana
[hanova | hanova ny fango]- ↑ Rajemisa-Raolison Régis, "Vorondreo", Rakibolana malagasy, Ambozontany. 1985