Hankany amin'ny vontoatiny

Vorombe titan

Avy amin'i Wikipedia
Taolam-pen' ny Vorombe titan

Ny Vorombe titan dia karazam-borona tsy afa-manidina sy saika tsy manana elatra, ao amin' ny Aepyornithidae, izay fianakaviana efa lany tamingana, anisan' ny Ratitae (vorona tsy afa-manidina sy saika tsy misy elatra) tsy nisy afa-tsy eto Madagasikara. Io irery no karazana ao amin' ny vondron-karazana Vorombe. Ny santionany amin' ity vondron-karazana ity dia noheverina hatramin' ny taona 2018 ho santionany lehibe amin' ny Aepyornis.

Taorian' ny fanadihadiana ny santionany miisa 346, ny 82 tamin' ireo dia tsy nisy nanombinana, ny zôôlôjista britanika James P. Hansford sy Samuel T. Turvey ao amin' ny Zoological Society of London dia afaka namaritra karazana efatra monja (fa tsy dimy ambin' ny folo), nozaraina ho vondron-karazana telo: Aepyornis hildebrandtimus, Aepyornis maximus, Mulleornis modestus, ary Vorombe titan.

Atodin' ny Vorombe titan

Ny Vorombe titan dia namorona vondron-karazana vaovao, saingy ny filazalazana azy dia nanomboka tamin' izay nataon' i Charles William Andrews tamin' ny faran' ny taonjato faha-19, ny an' ny Aepyornis titan tamin' ny taona 1894, karazana izay hitan' ny mpikaroka hafa fa Aepyornis maximus saingy lehibe kokoa. Izany no nahatonga azy ireo nitazona ilay anaran-karazana (titan) nomen' i Andrews azy. Tamin' ny taona 1963, i Pierce Brodkorb dia nihevitra ny Aepyornis titan ho ova karazan' ny Aepyornis maximus ary tsy nihevitra azy ho karazana miavaka intsony.