Hankany amin'ny vontoatiny

Vondronosy Mitsio

Avy amin'i Wikipedia

Ny Vondronosy Mitsio, izay any amin' ny 70 km, any avaratra-andrefan' i Madagasikara, avaratra-atsinanan' i Nosy Be, ao amin' ny Lakandranon' i Môzambika, dia vondrona nosin' afotroa, malaza amin' ny hatsarany voajanahary sy ny zavamananaina an-dranomasina miavaka ao aminy. Amin' ny sambo ihany no ahafahanamankao amin' ity vondronosy ity, izay ahitana nosy roa ambin' ny folo, anisan' izany i Nosy Mitsio sy i Nosy Tsarabanjina izay hany no misy mponina.

Ny nosy ngezangeza ao amin' ilay vondronosy

[hanova | hanova ny fango]

Nosy Mitsio

[hanova | hanova ny fango]

I Nosy Mitsio no nosy lehibe indridra sy hany tena misy mponina ao amin' ilay vondronosy. Mirefy 12 km eo ho eo ny lavany ary 3 km ny sakany, ary mahatratra 206 m ny haambony. Misy tanàna maromaron' ny mpanjono ny ao, ary malaza amin' ny tora-pasika mahafinaritra sy ny zavamaniry maro ary ny zavatra hafa miavaka toy ny andry basaltika.

Nosy Lava

[hanova | hanova ny fango]

Any atsimon' i Nosy Mitsio no misy an' i Nosy Lava, nosy mitoka-monina kokoa sy tsy dia misy olona loatra, ahitana endri-tany anjakan' ny zavamaniry sy ny haran-dranomasina.

Nosy Ankarea

[hanova | hanova ny fango]

Voatonona ho anisan’ ilay vondronosy koa i Nosy Ankarea.

Quatre Frères

[hanova | hanova ny fango]

Vondron-nosy kely miavaka mamo efa-joro mipoitra eny ambonin' ny rano izy io, miaraka amin' ny vato lehibe lava mitsangana mitsatoka any ambanin' ny ranomasina.

Nosy Tsarabanjina

[hanova | hanova ny fango]

Nosy an' olona manokana i Nosy Tsarabanjina, any amin’ ny 40 km avaratra-atsinanan’ i Nosy Be, ao amin’ ny vondronosy Mitsio. Malaza amin' ny tora-pasika fotsy sy ny haran-dranomasina ary ny zavamaniry ao aminy izy io, anisan' izany ny zaha sy ny vontaka (Pachypodium). Io nosy io no misy ny Constance Tsarabanjina Lodge, toeram-pitsangatsanganana raitra.

Zavaboary

[hanova | hanova ny fango]

Ny vondronosy Mitsio dia malaza amin' ny fisian' ny toerana fanaovana antsitrika miavaka, ny zavamananaina an-dranomasina isan-karazany, anisan' izany ny feso isan-karazany (Sousa plumbea na Sousa chinensis, Tursiops truncatus, Stenella attenuata), ny sokatra (Chelonia mydas, Eretmochelys imbricata, Caretta caretta, Dermochelys coriacea) ary ny fay (Mobula birostris, Manta alfredi, Mobula mobular, Mobula kuhlii), ary koa ny tontolo voajanahary tsy misy simba.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]