Hankany amin'ny vontoatiny

Vondronosy Galapagos

Avy amin'i Wikipedia
Ny Vondronosy Galapâgos

Ny Vondronosy Galapagos dia vondronosy sady faritanin' i Ekoatera (na Ekoadôra) any avaratra-atsinanan' ny Ôseana Pasifika Atsimo, eo amin' ny laharam-pehintany akaikin' ny Fehibe. Any amin' ny 1 102 km andrefan' ny morontsirak' i Ekoadôra no misy ny nosy Isabela, izay lehibe indrindra. Mirefy 929 km ny elanelana manasaraka ny kôntinanta amin' i San Cristóbal, nosy farany atsinanana indrindra. Io vondronosy io dia misy nosin' afotroa 40 any ho any izay namorona faritany iray any Ekoadôra nanomboka tamin' ny taona 1832, ary i Puerto Baquerizo Moreno no renivohiny. Ao no misy ny Valan-javaboarim-pirenen' i Galapagos sy ny Tahirin-javaboary an-dranomasin' i Galapagos, izay vakoka maneran-tanin' i UNESCO.