Vondrona Teza



Ny Firenen' ny Teza sy Fahefan' ny Teza dia fiarahana ara-miaramila eo amin' ny firenena miaraka miady hifanandrina amin' ny Firenena mpiara-dia nandritra ny ady lehibe faharoa. i Benito Mussolini, ny Praiminisitr' Italia Fasista, no nanambara tamin' ny volana oktobra 1936 ny fitsanganan' ny "Teza" iarahan' i Italia amin' i Alemaina izay hampivoatra ny toe-draharaha eorôpeana avy eo. Nanao fifanarahana hafa tamin' i Empiran' i Japàna ihany koa i Alemaina Nazi tamin' izany fotoana izany.
Ireo firenena telo lehibe ireo no nohatevenin' ny firenena madinidinika maro hafa avy eo. Nifarana tamin' ny taona 1945 ny ady ka resy tamin' ireo herim-pahefan' ny Teza ary tapaka ny firaisankinan-dry zareo.
Vondro-kerin' ny Teza Berlin-Rome-Tokyo
[hanova | hanova ny fango]Ireo tena goavana tamin'ny Teza no nikarakara ny Vondro-kerin'ny Teza Berlin-Rome-Tokyo izay lasa ôfisialy tamin' ny Dinan' ny Tsy (Pacte d'Acier) sy ny Dinan' ny Telotonta (Tripartite Pact). Ireto avy izy ireo:
- Alemaina Nazi, nentin' i Adolf Hitler
- Empiran'i Japàna, nentin' i Hirohito
- Italia Fasista, nentin' i Benito Mussolini

- Fascist Italy (before 1943)
Samy firenena entina governemanta tsirefesimandidy izy telo ireo, izay noheverina ho fasista.

Firenena hafa
[hanova | hanova ny fango]Ireo hafa nanasonia ny Dinan' ny Telotonta
[hanova | hanova ny fango]Ankoatra ny firenena lehibe telo, ny firenena madinidinika tao amin' ny firenen' ny Teza:
- Fanjakan' i Hôngria (1920-1946), nentin'i Miklós Horthy
- Fanjakan' i Bolgaria, nentin'i Tsar Boris III (mandra-pahafatin'i Boris III tamin'ny taona 1943 sy nananganany ady tamin'i Alemina tamin'ny taona 1944)
- Fanjakan' i Romania, nentin' i Ion Antonescu (mandra-piongan' i Ion Antonescu sy nanambaràna ny ady tamin' i Alemaina tamin' ny taona 1944)
- Fanjakan' i Iogôslavia, nentin' ny Printsy Paul an' i Iogôslavia (mandra-piongan' i Paul sy nanafihana ny Teza)
- Hongria
- Romania
- Bolgaria
- Yogoslavia
Ny firenen-kafa nanampy ny Teza nefa tsy tao anatin' izy ireo:
- Manchukuo
- Slovakia
- Vichy France
- Croatia
- Italian Social Republic
Ny governemanta vaovao na mpioko natsangan' ny Teza nandritra ny ady: