Vondrom-piteny koisàna

Avy amin'i Wikipedia
Sauter à la navigation Sauter à la recherche
Khoi-San.png

Ny fiteny koisàna na fiteny koizàna dia vondrom-piteny tenenin'ny vahoaka koikoy (na hoihoy) sy ny vahoaka sàna ao amin'ny faritra atsimo ao Afrika, indrindra ao Bôtsoana, ao Namibia, ao amin'ny faritanin'i Noord-Kaap ao Afrika Atsimo, ary ao amin'ny tapany atsimon'i Angôla.

Ny fiteny koisàna dia miavaka noho ny fampiasany renifeo atao hoe klika. Ny fiteny kongekoka dia mampiasa karazana klika mihoatra ny 50 amin'ny hasim-peo miisa 140.

Tsy mamorona fianakaviam-piteny tokana ireo fiteny koisàna ireo nefa azo zaraina ho fianakaviam-piteny telo miavaka tsara, afa-tsy ny fiteny hadza sy ny fiteny sandaoe izay heverina fa fiteny manirery. Ny teny hoe koisàna dia teny enti-manondro ireo fiteny rehetra ao Afrika misy klika sady tsy mifamatotra amin'ireo fianakaiam-piteny telo lehibe fantatra tsara ao amin'io kontinenta io, dia ny fiteny afro-aziatika sy ny fiteny nilo-sahariana ary ny fiteny nizero-kongoley. Ny fiteny koisàna be mpiteny indrindra dia ny fiteny koikoy (na fiteny hoihoy), fitenin'ny foko Nama, izay isan'ireo folo lehibe ao Namibia.