Aller au contenu

Volana fenomanana

Avy amin'i Wikipedia
Volana fenomanana

Ny volana fenomanana dia ny Volana (eny amin' ny lanitra) rehefa ilay feno sy boribory tsara ny fitazana azy, noho ny fanazavan' ny Masoandro manontolo ny tavany hita avy ety an-Tany. Ny tsinam-bolana, izay tsy ahitana ny Volana avy ety an-Tany, no mifanohitra amin' ny Volana fenomanana.

Marikitra ny 29 andro, 12 ora, 44 minitra ary 2,9 segondra ny fotoana eo anelanelan' ny Volana fenomanana roa. Io no tsingerina sinôdalin' ny Volana. Io faharetana io dia lava kokoa noho ny fotoana ilain' ny Volana hamita ny fihodinana iray amin' ny Tany, ny tsingerina ôrbitaliny (27 andro), satria nandritra io fotoana io ihany koa no mihodina amin' ny Masoandro ny Tany.