Vodin-javamaniry
Fiseho

Ny vodin-javamaniry dia taho na faka mibontsina amin' ny zavamaniry sasany izay ampiasainy ho fitaovam-pitahirizana otrikaina hataony sakafo amin' ny fotoana tsy mampisy izany. Ity taova fitahirizana ity dia miantoka ny fahaveloman' ilay zavamaniry mandritra ny vanim-potoanan' ny ririnina na amin' ny vanim-potoanan' ny hain-tany, ary matetika miantoka koa ny fampitomboan-taranaka tsy amin' ny alalan' ny tsirilahy sy tsirivavy.
Karazana vodron-javamaniry
[hanova | hanova ny fango]
Ny taova niova ho vodin-javamaniry dia mety ho:
- ny faka: karaoty, dalià, vomanga;
- ny taho ambanin' ny tany (rizôma): ovimbazaha, karazana samihafa ao amin' ny vondron-karazana Dioscorea fantatra amin' ny anarana hoe ovy, ny karazana sasany ao amin' ny fianakaviana Orchidaceae (ohatra Orchis morio), ny Pastinaca sativa, ny Smallanthus sonchifolius, ny Iris (vondron-karazana), ny Hemerocallis fulva, karazana sasany ao amin' ny vondron-karazana Sagittaria, sns;
- ny fototry ny taho: nave (Brassica rapa subsp. rapa), ny Brassica napus subsp. rapifera, ny Brassica oleracea var. gongylode, ny Apium graveolens var rapaceum, ny zavamaniry ao amin' ny vondron-karazana Cyclamen;
- ny faka mitambatra amin' ny taho: ny betiravy (Beta vulgaris subsp. vulgaris), ny radia (Raphanus sativus).
Ny ankamaroan' ny vodin-javamairy dia any ambanin' ny tany, fa ny an' ny Dioscorea bulbifera dia mihantona.