Hankany amin'ny vontoatiny

Voaramontsina

Avy amin'i Wikipedia
(tonga teto avy amin'ny Voantsikitra)

Ny voaramontsina na voantsikitra dia karazana zavamaniry mamony, ao amin' ny fianakaviana Ericaceae. teratany eto Madagasikara ary hita any amin' ny faritra avaratra amin' i Môzambika. Vaccinium emirnense na Vaccinium madagascariense ny anarany ara-tsiansa. Ity karazana ity dia hazobotry maniry indrindra amin' ny faritra ambanin' ny zana-pehin-tany[1]. Amin' ny teny malagasy izy dia atao hoe lamoty koa nefa tsy tokony hampitovina amin' ny ramontsy izay atao hoe lamoty koa.

Karazana hazobotry mirefy 2 ka hatramin' ny 4 m ny haavony, manana ravina maitso mandavan-taona. Mena mainty ny voany rehefa masaka, mitovy habe amin' ny serizy, ary mivondrona madinika toy ny voaloboka[2][3]. Ity karazana ity dia tsy misy afa-tsy eto Madagasikara, izay ampiasaina amin' ny fitsaboana nentim-paharazana isan-karazany[4].

Na dia tsy betsaka aza ny antontan-kevitra vosoratra momba ny fampiasana manokana ny voantsikitra, ny karazan-javamaniry ao amin' ny vondrona Vaccinium dia be mpitady amin' ny ankapobeny noho ny toetrany azo atao fanafody sy miaro amin' ny sela sy ny môlekiola ao amin'ny tenan' ny olombelona, ary ny voany dia azo hanina[4].

Amin' ny ankapobeny, ny Vaccinium dia fantatra noho ny tombontsoany ara-pahasalamana azo avy aminy, indrindra noho ny fisian' ny antôsianinina sy ny pôlifenôlika hafa ao anatiny. Na izany aza, voafetra ihany ny fanadihadiana manokana momba ny Vaccinium emirnense.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]

Loharano sy fanamarihana

[hanova | hanova ny fango]
  1. Plants of the World Online, "Vaccinium madagascariense", powo.science.kew.org
  2. H. Perrier de la Bathie, "Sur quelques Plantes non cultivées de Madagascar à fruits comestibles ou utiles et sur la possibilité de leur culture.", Journal d'agriculture traditionnelle et de botanique appliquée  Année 1924  38  pp. 652-663, www.persee.fr
  3. Mme Yvonne Trochain , "Les Vaccinium comestibles (Suite et fin)", Journal d'agriculture traditionnelle et de botanique appliquée  Année 1933  141  pp. 319-329, www.persee.fr
  4. 4,0 et 4,1 "Etude de la maturation des fruits de "Voaramontsina" (Vaccinium emirnense-Ericaceae)", www.chatpfe.com