Hankany amin'ny vontoatiny

Voantay

Avy amin'i Wikipedia
Voantay

Ny voantay dia bibikely matevin' elatra, mpihinana tay sy manao trano amin' ny tay. Karazam-boangory izy io. Anisan' ny zana-pianakaviana Scarabaeinae sy Aphodiinae ao amin' ny fianakaviana Scarabaeidae ny ankamaroan' ny karazana voantay. Hita any amin' ny fianakaviana hafa koa ny voantay, toy ny Geotrupidae. Ny fianakaviana Scarabaeinae irery dia ahitana karazana 5 050 mahery.

Ohabolana

[hanova | hanova ny fango]
  • Androngolahy milanja voantay: izy milanja ny manga indray no milaza manehi-nify.
  • Aza fatra-pitia tsikovoka, fandrao manenji-boantay.
  • Borera sy voantay mifampitolona ka ny lohany no amantarana azy.
  • Indraindray izy dia toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana.
  • Na manga aza ny voantay, tsy mba nisain' ny olona ho tsikovoka akory.