Voahirana

Avy amin'i Wikipedia
Rano aniriam-boahirana
Vonim-boahirana

Ny voahirana dia zavamaniry araty rano mihandrona, be ravina miendrika kapila mitsinkafona, misy voniny tokana matetika miloko volomparasy na manga atao hoe tatamo. Ny anarany ara-tsiansa dia Nymphaea stellata na Nymphaea nouchali. Ao amin' ny fianakavian-javamaniry atao hoe Nympheaceae izy. Aamin' ny faritra manana toetanin-jana-pehi-tany any Azia sy Aostralia ary Afrika no ahitana azy. Volena ny voahirana mba hatao haingon-tanàna. Misy koa ny mihevitra azy ho azo atao fanafody itsaboana ny aretin' aty sy ny diabeta. Atao anana salafo izy any Laôsy sy any Kambôdia.

Ireto koa ny anarana mety hiantsoana azy amin' ny teny malagasy: agoago, agoagoa, betsimihilana, betsimilina, betsimirana, fantamo, kitatamoka, lazilazy, lefoka, makamby, talefaka, tantama, tantano, tatamo, tatamoka, tsiazonafo, voalefoka, vonintatamo.