Voahangy

Ny voahangy na perla dia zavatra boribory kely mahafinaritra voajanahary, karazana vatosoa, vokarin' ny akora (biby) sasany any anaty ranomasina, indrindra fa ny voahangy avy amin' ny masajy na himbato (fr) (vondron-karazana Pinctada) sy ny betsimitsitekiteky (Mytilida) sasany. Miforona ho azy ny voahangy rehefa misy zavatra avy ety ivelany tafiditra ao anatin' ilay akora (fasika, katsentsitra, potika ôrganika, sns.). Mba hiarovany tena, ny masajy na ny betsimitsitekiteky dia mamorona harana karbônati-na kalsiôma CaCO3 amin' ny endrika aragônita na kalsita, atao hoe harana (fr), izay mandrakotra tsikelikely an' ilay zavatra tafiditra ao ary dia mamorona voahangy na perla rehefa mandeha ny fotoana.

Misy ny voahangy voajanahary sy ny voahangy novolena ary ny voahangy tsy tena izy (atao hoe sarihangy).
Ohabolana malagasy
[hanova | hanova ny fango]- Indraindray izy dia toy ny voahangy raraka, ary indraindray dia voantay miboridana.
- Mitsororoka, toa voahangy; fa raha raisina, toa tainkintana.
- Ny lohataona toy ny voahangy raraka, fa mahabe torimaso ny malaina.
- Toy ny voahangy: tsy mandry làlana; apetraka, ravaky ny trano; entina, endriky ny dia.
- Voahangy mifidy andriana.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vakana: tsileondoza - maizinkitro - tongarivo - masombola - tsiambohitrinimanana - atodimpody - atodinosy - famakivola - fanjaibola - fenomanana - fierenana - harenatsimaty - jijikely - lakambazimba - mahafehitena - malaimisaraka - mananjara - manarimbintana - manjakabeantany - marojinja - masondandy - ombalahivola - ranolalina - samalama - samisamy - sarihangy - soamalama - soamanodidina - tafita - tahonanganala - tananorana - tanterakala - tongahasina - tratramborondreo - tsiambandrafy - tsiambanindahy - tsiambanindrafy - tsiatosidahy - tsiatosika - tsilaiby - tsilaitra - tsileomparimbona - tsimandrilalana - tsimarofy - tsimatinarivolahy - tsiribihy - vakambony - vakamiarina - vakampotsy - vakantany - vakantody - velomiriaria - velomody - velonarivotaona - voahangy - voahangindrano - vodilanitra - voniravo - voronosy