Vitis vinifera
Fiseho

Ny Vitis vinifera dia karazana zavamaniry mamony roa ravin-tsimoka ao amin' ny fianakaviana Vitaceae (zana-pianakaviana Vitoideae), teratany any Atsinanana Akaiky, nefa efa ambolena any amin' ny kôntinanta rehetra ankoatra an' i Antarktika. Voalobobazaha na voaloboka ny anarany amin' ny teny malagasy. Hazo kirihitra manana sampana mianika, izay mifikitra amin' ny tohana amin' ny alalan' ny tangolika, izy io, ary mahatratra 6 m ny halavany. Ambolena hahazoana ny voany mivondrona (sampaho), izay atao hoe voaloboka ihany koa, ity zavamaniry ity, ary hanina avy hatrany na avela ho maina vao izay hanina ny voany, na aotrika mba hamokarana divay. Izy no karazana voaloboka ambolena indrindra any Eorôpa sy maneran-tany.