Hankany amin'ny vontoatiny

Vitis labrusca

Avy amin'i Wikipedia
Vitis labrusca 'Concord'

Ny Vitis labrusca, izay karazam-boaloboka amerikanina, dia kirihitra manana sampana mianika, ao amin' ny fianakaviana Vitaceae. Ambolena izy io mba hahazoana ny voany izay mitambatra ho salohy. Ny voany dia manana fofona sy tsiro miavaka. Izy io dia teratany any Amerika Avaratra (any amin' ny faritra avaratra-atsinanana amin' i Etazonia sy amin' i Kanada) ary nentina any Eorôpa ka maniry tsara ao.

Maro ny endrika mety hisehoany ka anisan' izany ny Catawba, ny Delaware, ny Isabelle, ary ny Niagara. Maro koa ny safiotra, ka ohatra amin' izany ny Concord sy ny Noah.

Jereo koa

[hanova | hanova ny fango]