Vintsimena

Ny vintsimena dia karazana voronkely ao amin' ny fianakaviana Alcedinidae, ao amin' ny filaharana Passeriformes. Tsy misy afa-tsy eto Madagasikara izy ary any amin' ny ala mando any andrefana no ahitana azy. Ny anarany ara-tsiansa dia Corythornis madagascariensis. Atao hoe tsakokomanga, vintsiala, vintsimena na marotaina izy io amin' ny teny malagasy. Atao hoe marotaina na maritaina koa izy io nefa ireo anarana ireo dia manondro ny tserikamena (Acridotheres tristis) koa.
Ny fanoritsoritana maty paika voalohany an' ity vorona ity dia nataon' i Carl von Linné, mpandinika zavaboary soedoà, tamin' ny taona 1758, tamin' ny andiany faharoa ambin' ny folo amin' ny Systema Naturae, niantsoany azy amin' ny anarana hoe Alcedo madagascariensis.
Na dia natao tao amin' ny vondron-karazana Ceyx sy Ispidina taloha aza izy, dia manondro ny fandinihana ny fifandraisany amin' ny vondron-karazana hafa ao amin' ilay faritra fa tsara ny handraisana azy ho mpikambana ao amin' ny vondron-karazana Corythornis.