Vinca minor

Ny Vinca minor dia karazana zavamaniry mamony ao amin' ny fianakaviana Apocynaceae, teratany any Eorôpa Afovoany sy Atsimo. Lehibe kokoa amin' ny taovany rehetra ny Vinca major izay karazana akaiky azy sady manana ravina somary midadasika kokoa sy misy volovolo amin' ny sisiny. Atao hoe vonenimbazaha izy io amin' ny teny malagasy, nefa tsy teratany eto Madagasikara sady tsy maniry tsara eto.
Famariparitana
[hanova | hanova ny fango]Ahitra maniry mihoatra ny roa taona ny Vinca minor. Miforona eo amin' ny fotony ny tahony maro mandady, mitsangana, misy raviny mifanohitra tsiroaroa mibikan' atody sy maitso lalandava ary maharitra. Mamoaka vony mitsitokantokana eny an-tendron-taho sy manga misy felany efa-dafy 5 tsy mitovy ny Vinca minor.
Tsinjara toerana
[hanova | hanova ny fango]Zavamaniry fahita any amin' ny alan' i Eorôpa (hatrany amin' ny haavo 1 300 m) hatrany amin' ny faritra atsimo amin' i Rosia ny Vinca minor.
Jereo koa
[hanova | hanova ny fango]- Vonenimbazaha: Vinca major L.; Vinca minor L.